Governoran’ny Faritra Atsinanana: “Mibosesika ny mpandraharaha vahiny hampiasa vola”, hoy Rakotovao Andry

Anisan’ny faritra manana ny hoaviny amin’ny lafiny fampandrosoana ny ao Atsinanana. “Tsy mijanona ho renivohitry ny toekarena fotsiny i Toamasina, afaka dimy taona dia hiova tanteraka noho ireo tetikasan’ ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry”, hoy ny governora mpisolo toerana, Rakotovao Andry.

Gazety Taratra (*): Valo volana taorian’ny nametrahana anao ho governora mpisolo toerana, nanao ahoana ny tombana ny ezaka sy ny asa vita?

Rakotovao Andry, Governora mpisolo toerana (-): Amin’ny ankapobeny, amin’ny maha mpisolo toerana vonjimaika ahy dia nanohy ny ezaka efa vitan’ny teo aloha no tena vaindohan-draharahako sy ny ekipa. Na izany aza, anisan’ny asa goavana vitanay ny fametrahana ilay paikadim-pampandrosoana ny Faritra na ny Plan Regional du Développement (PRD). Niarahana namolavola tamin’ny teknisianina malagasy sy ny Fandaharana­san’ny Fire­nena mikambana ho an’ny fampandrosoana izany na ny Pnud. Vita tanteraka ny tahirin-kevitra ary aparitaka. Amin’izao fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka izao dia hiverina ny ampahafantatra azy ireo izany. Raha misy ny solombavambahoaka ato anatin’ny Faritra Atsinanana manana fangatahana atao amin’ny mpanatanteraka, na ihany koa manana tolo-dalana mifandraika amin’ny filan’ny mponina dia tsy mila mitady lavitra intsony. Efa voarakitra ao anatin’ilay PRD avokoa izany. Hita amin’ny antsipirihany mihitsy.

* Raha izay no vita, inona no drafitrasa ho an’ny faritra Atsinanana?
– Araka ny efa nambarako teo, tsy mbola afaka manao tetikasa goavana izahay amin’ ny maha governora vonjimaika. Tsy maintsy miandry ny toromariky ny lehibe isan’ambaratongany. Na izany aza misy ny hamehana tsy azo ialana dia ireny izao no hilofosanay. Manginy fotsiny ny fanohizana ny raharaham-panjakana mba tsy ho raraka ilom-by andohana ireo efa novitain’ny teo aloha.
* Azonao homena ny antsipirihany mahakasika ilay PRD ve ny Malagasy?
– Tsy mivaona amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ilay izy. Mifototra be dia be amin’ny lafiny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny lafiny toekarena, ary ny fahaiza-mitantana ilay izy. Ny andinindininy kosa dia nalaina avy amin’ny filan’ny mponina eny ifotony.

* Ahoana ny fahitanao ny ho fivoaran’ny toekarena sy ny faritra misy anao?
– Olona manana fomba fijery miiabo aho. Amiko dia ambony be ny fijery ary resy lahatra aho fa ao anatin’ny efatra na dimy taona dia hiova tanteraka ny Faritra Atsinanana, indrindra ny renivohitr’i Toamasina. Marobe amin’izao fotoana izao ny tetikasan’ny Filohan’ny repoblika no an-dalana ny fanatanterahana azy. Efa hita sy azo tsapain-tanana izany. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fanitarana ny seranan-tsambo manokana izao. Raha tsy misy ny fiovana dia tratra ny tetiandro napetraka amin’ny faran’ny taona 2026. Hanova zavatra marobe izany satria hifaninana amin’ny seranan-tsambo hafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Anisan’ny seranana goavana afaka ny hitsinjara entana amin’ny faritra maro. Eo ihany koa ny tetikasa hafa toa ny Volobe II sy ny fananganana “Zone Economique Spéciale”.

* Tetikasa be mpanaraka ny momba ny Volobe sy ity faritra manokana momba ny fandraharahana ity. Afaka mahazo ny antsipirian’izany ve izahay?
– Miankina amin’ny fitondrana foibe ireo, ary tsy afa-miala amin’ny rafitra an-tanatohatra izahay. Na izany aza, azoko ambara fa miroso araka ny tokony ho izy ny aty ifotony. Efa miomana tanteraka amin’izany izahay. Porofon’izay izao ny efa fametrahana ny tranoben’ny asa eto Toamasina. Angady nananana sy vy nahita izany ny faritra sy ny minisiteran’ny Fampiofanana teknika sy fampiofanana arak’asa, andaniny; ny minisiteran’ny Asa ankilany, miampy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.

* Mahakasika izay fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina izay tompoko, maromaro tokoa ny orinasa hitanay eto Toamasina, inona no anjara biriky mba hoentin’izy ireny ho an’ny vahoaka?
– Momba izay indrindra no mbola olana ho an’ny eto Toamasina. Vitsy ny orinasa manatanteraka ny andraikitra sosialy sy toekarena tokony horaisin’izy ireny. Manana drafitra sy fandaharanasa mihitsy izy ireo ara-taratasy fa ny fandraisana andraikitra tena tsy misy na zara raha misy. Ny an’ny orinasa sasany heveriny fa ny fanohanana fety aman-danonana dia efa manao izy izay. Raha ny fahitako azy anefa dia azo hanaovana zavatra marobe eto an-tanàna io fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina io. Izay rahateo no anisan’ny hataonay lohalaharana amin’izao fotoana izao ny mba hampirisika ny orinasa ho mpiantsehatra fototra amin’ny fampandrosoana mivantana ny tanàna.

* Inona tokoa moa izany no vato misakana sedrainareo, amin’izao fotoana izao?
– Tsy hoe vato misakana angamba no mahalaza azy fa fanamby tsy maintsy dinganinay. Amin’ny ankapobeny, tsy ampy ny fanentanana sy ny fifandresen-dahatra hatreto. Tsy maintsy miditra amin’ny fifandresen-dahatra izahay mba ahafahan’ny rehetra mahalala ny andraikitra manandrify azy. Ny tanjona dia ny fampandrosoana anatin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra, tsy misy teritery fa miainga amin’ny fanajana ny fifanarahana nifanaovana.

*Hatraiza anefa ny fahafahanareo manao izay?
– Tsy miasa irery ny Faritra fa araka ny nambarako teny amboalohany dia miara-miasa amin’ny herivelona rehetra, ny lehibenay izay amin’ny zavatra rehetra. Porofon’izany izao, maro dia maro ny mpandraharaha vahiny, tonga teto Toamasina. Vonona ny ampiasa vola ry zareo Emirates, ny Ivoarianina, ny sinoa, sns. Ny EDBM izao no miandraikitra ny fanatanterahana ny fomba fiaraha-miasa amin’ireny.

* Inona avy ny sehatra hidiran’ireo teratany vahiny ireo?
– Hatreto aloha dia misy ny resaka hotely, ny fanamboarana simenitra, ny orinasa fanamboarana fiara. Ankoatra izay ny varotra. Manampy ireo, aza hadinoina ny tetikasa Volobe, ohatra izay hamorona asa maro ho antsika.

* Efa vonona ny amin’izany ve i Toamasina? Iaraha-mahalala fa na mpanao sodira aza ireny nafarana avy any an-dafy taloha?
– Izay indrindra no tsy maintsy iaraha-miasa amin’ny departemanta hafa fa tsy ny eto amin’ny faritra ihany. Mitsinjo lavitra isika ka efa manomana ireo manampahaizana Malagasy sy ny mpiasa madinika ihany koa. Ny ho fisorohana ny toy ny teo aloha mihitsy no antony. Araka ny voalazako teo ny momba ny Tranoben’ny Asa, ohatra. Miezaka ihany koa izahay tomponandraikitra aty an-toerana mamantatra mialoha ny filan’ny orinasa sy ny tetikasa mialoha mba hanomantsika ny Malagasy, mba tena ho mpisitraka voalohany eto an-toerana.

* Inona no antoka ho an’ireny mpandraharaha ireny avy aminareo?
– Tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ireny, tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny firenena ihany koa, heveriko fa efa mipetrapetraka avokoa ny zava-drehetra hatrany ambony sy ny avy ety ifotony. Amiko, tsy tokony hisy ny olana rehefa tena mipetraka sy tanteraka ireo tetikasa isan-karazany ireo satria mifameno. Marihiko fa olan’ny Toamasina, tsy ahafahan’ny fandraharahana mivelatra ny lafiny Angovo sy fananan-tany. Raha tanteraka anefa ireo tetikasa voalaza tetsy ambony dia mivaha ho azy izany.

Dinika nangonin’i Sajo sy r.r

Partager sur: