Kaominina ambonivohitr’i Morondava: Mandry fahalemana sy mora vidim-piainana

Kaominina mia­vaka indrindra ny kaominina ambanivohitr’i Morondava, raha oharina amin’ ireo kaominina sy disitrika hafa mandrafitra ny faritra Menabe. Anisan’ izany ny fisian’ny fandriampahale­mana sy ny fahamoran’ny vidim-piainana.

Kaominina iray ao ana­tin’ireo disitrika dimy mandrafitra ny faritra Menabe ny kaominina ambonivohitr’i Morondava. Ho an’i Morondava manokana, ani­san’ny mampiavaka azy ny lalana, raha ampitahaina
amin’ny lalam-pirenena hafa miisa efatra. Toa ny lalam-pirenena faharoa mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo, ny lalam-pirenena, fahafito miainga eto Antananarivo hatrany Antsirabe, ny lalam-pirenena faha-34 mianga eo Antsirabe hatrany Malaimbady ary ny lalam-pirenena faha-35,  Malaimbady hatreo Moron­dava. Raha atambatra ireo rehetra ireo, mahatratra adim-pamantaranandro 35 ora be izao ny lalana raha mianga avy eo Toamasina ho any Mo­rondava. Ankoatra izay, efa saika hita ao an-toerana avokoa ny karazam-poko rehetra misy eto Madagasikara.
Morondava, nandray ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalala­han’ny asa fanaovan-gazety sy ny fampahalalam-baovao, ny 3 mey 2025 lasa teo. Tonga nitarika izany, tany an-toe­rana, ny minisitra tomponandraikitra, i Mara Volamiranty Donna. Faritra fito tamin’ireo faritra 24 manerana ny Nosy ihany no tonga nandray anjara tamin’izany. Teo ny faritra Menabe, izay mpampiantrano, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Anosy, ary Atsina­nana. Niampy ny delegasio­nin’ny Holafitry ny mpanao gazety avy eto Analamanga. Manodidina ny 124 ny isan’ ireo mpandray anjara tonga tany an-toerana.
Nisongadina ny hamaroan’ ny delegasionina, izay nahatratra 22 mianadahy avy amin’ ny faritra Atsinanana, notari­hin’ny filohan’ny fikambanany, i Sabotsy José na i Sajo.

Miavaka amin’ny lafin-javatra maro

Raha oharina amin’ny kaominina ambonivohitra rehetra manerana ny Nosy, hita ho miavaka amin’ny lafin-javatra maro i Morondava. Tsy ahi­tana ireny vehivavy mpampanofa vatana amin’ny alina na amin’ny atoandro ireny any an-toerana. Malalaka sy madio ny godorao sy ny sampanan-dalana rehetra. Mirindra ara-dalàna ny fifamoivoizana, madio ny tanàna rehetra. Me­natra ny olona manarinary fako na fonon’ny vatomamy aza. Mandeha tsy misy ahiahy ny rehetra amin’ny alina satria tsy misy mpanendaka sy mpisakan-dalana. Saika ahitana polisy ny elakelan-dalana rehetra fa saingy ny indrokely, ireto farany no mbola maka vola raha ny voalazan’ny mpitondra Bajaj amin’ny alina.

Ezaka nataon’ny kolonely Faneva

Ankoatra izay, antony ma­hatonga ny filaminana any an-toerana ny ezaka nataon’ny kolonely Faneva, izay nampandry fahalemana ny tany. Anisan’ny nalaza tamin’izany fa tsy niova fo ny olon-dratsy na dahalo fa nilavo lefona. Lasa nanao fivelomana hafa ihany koa ireo mpivarotra fahafinaretana taorian’ny fampiofa­nana natao ho azy ireo. Ha­treto, anisan’ny kaominina miavaka amin’ny fiainana an­davanandron’ny mponina ny ao Morondava. Mora ny vidin’ ny kojakoja ilaina andavanandro. Manodidina ny 560 hatramin’ny 800 Ariary ny kapoa­kan’ny vary. Manodidina ny
1 000 hatramin’ny 1 500 Ariary ny legioma. 1 000 Ariary ny kapoakan’ny voamaina. Lafo kosa nefa ny vokatra momba ny baobab izay fanao voan-dalana.

Tsara ho an’ny fizahantany

Amin’ny ankapobeny, kaominina manana tombony amin’ ny lafiny fizahantany ny kaominina ambonivohitr’ i Moron­dava. Manampy izany ny fisian’ny “Aller de Baobab”, any amin’ iny faritra iny. Anisan’ny faritra ahitana karazan-kazo lehibe indrindra eto Madagasikara ihany koa. Nandritra ny nandalovana tany an-toerana, ny tolakandro no fotoana tena mahabetsaka mpitsidika any an-toerana. Maro ireo olona miandry ny fotoana hodian’ny masoandro. Hifandrombahana rahateo ny mankany an-toerana rehefa amin’io fotoana io.
Na izany aza, somary ratsiratsy ny lalana, misy ny miampita rano na miroboka anaty fotaka. Vokany, manana anjara toerana amin’ny fitateran’olona ny sarety. Mitatitra mankany amin’ny toerana mivantana ahitana ny fodian’ny masoandro izy ireo. Manodidina ny 5 000 Ariary isaky ny olona ny sa­rany.
Feno hipoka eny amoron-dranomasina rehefa maraina ny andro. Rehefa amin’io fotoana io, toy ny lafarinina malemy ireny ny fasika, azo hilomanosana hatrany amin’ny 50 metatra ny ranomasina ary tsy misy hatahorana. Misy lakana afaka mitondra lavidavitra kokoa, misy fipetrapetrahana tsy handoavam-bola ihany koa eny amin’ny torapasika. Noho izany, tsy misalasala ny teratany vahiny mitaly na mirandrana ho toy ny vehivavin’ i Sakalavan’ i Menabe. Raha tsorina, maro ny mpizahatany tonga ao an-toerana na dia somary lavidavitra ihany aza ny toerana misy azy eto Madagasikara.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: