Indray nihira tamin-dry Rado, ED Andriamalala, Dox, sns, i Randja Zanamihoatra. Efa maro mpahalala kanefa mbola hampitaina amin’ny taranaka ny sanganasany, mandritra ny fanamarihana ny faha-100 taonany.
29 mey 1925 – 29 mey 2025. Amin’io daty io no feno 100 taona ilay mpanoratra sy poeta Randriamananjara Edmond, na i Randja Zanamihoatra. Homarihina amina hetsika maro izany, ary efa nitsangana ny kaomity mpikarakara, izay ahitana ireo taranany. Nanambara ny kaomity fa hosantarina ny talata 27 mey izao ny fankalazana, izay hatao eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fotoana izay hilazana amin’ny fomba ofisialy ny andinindinin’ny fankalazana ihany koa io, araka izany.
Ankoatra ny lahateny hifandimbiasana, hisy ny antsan-tononkalo, hamerenana indray ireo sanganasan’i Randja Zanamihoatra. Eo ihany koa ny teatra poetika sy ny fizarana ny sora-piainan’ity poeta anisan’ny nanamarika ny tantaran’ny literatiora malagasy ity. Haka endrika fampirantiana izany, ho fampahafantarana bebe kokoa an’ity andrarezina ity sy ny sanganasany.
Hitohy amin’ny “Henemana Sandratra” ny fankalazana, ny volana jona. Hisy ny velakevitra arahina fampahafantarana sy famakafakana ireo sanganasan’i Randja Zanamihoatra mandritra izany. Arahina seho “Ary nihira aho”. Eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy kosa ny fampirantiana ny mombamomba azy rehetra sy ny asa sorany ary ireo boky rehetra efa navoakany. Ny volana jolay sy aogositra no hanaovana ny fifaninanana teatra poetika iarahana amin’ireo fikambanana maromaro. Any amin’ny volana marsa 2026 kosa ny fifaninanana mamelona ny asa soratr’i Randja zanamihoatra eny anivon’ny sekoly. Ny volana mey amin’ny taon-dasa ny lanonam-pamaranana. Raha ny vinavina, haverina havoaka amin’izay ny boky “Vainafo tononkira”, ka arahina “cabaret poétique” miaraka amina mpanakanto maro izany.
Tsiahivina fa anisan’ny niavaka ireo bokin-tononkalo navoakany, toy ny “Vehivavy”, “Lehilahy”, “Ako sy feo”, “Ary nihira aho”, “Tandindona sy ra” ankoatra ny “Vainafo tononkira”. Gazety maro ihany koa no namoahan’i Randja zanamihoatra ny sanganasany, toy ny “Fandrosoam-baovao”, “Asa vadi-drano”, “Malagasy vaovao”… Tsy tononkalo ihany anefa fa nanoratra lahatsoratra tsotra sy tantara foronina maro izy.
Zo ny Aina