Goavana indrindra amin’ny famokarana herinaratra ny tetikasa Sahofika, hatrany amin’ny 200 MW. Manana petra-bola ao ny fanjakana malagasy iarahana amin’ny orinasa Neho.
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vovonan’orinasa Neho (Nouvelle énergie hydroélectrique de Onive) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), misolo tena ny fanjakana malagasy. Nanatrika ny fotoana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Amin’ny alalan’ny Tahirimbola mahaleo tena malagasy na Fonds souverain (FSM)* ny ahafahan’ny fanjakana manana petra-bola ao anatin’ilay vovonana.
Any amin’ny reniranon’i Onive, any atsinanan’Antanifotsy, faritra Vakinakaratra, ny toerana hananganana ny tohodrano goavana. Tetikasa lehibe indrindra eto amintsika, hamokatra herinaratra 192 hatramin’ny 200 MW. Hamidy amin’ny Jirama ny herinaratra avy eo. Nisy sonia faharoa natao koa, omaly, teo amin’ny Neho sy ny Jirama, manamafy ny hividianan’ity farany ny herinaratra vokarina.
Miara-miasa amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) ny fanjakana malagasy, nahafahan’ny FSM manana ny 49% ny petra-bola ao anatin’ny vovonana Neho. An’ny orinasa tsy miankina, ny Themis sy ny Eranove kosa ny 51%. Maro ny dingana sy fanadihadiana ara-teknika hatao, fa vinavinaina amin’ny taona 2026 ny fanombohana ny asa fananganana ny fotodrafitrasa samihafa.
Tetikasa maro amin’ny angovo
Nomarihin’ny filoha Rajoelina, fa mila fotoana maharitra ny fananganana tohodrano, saingy ahazoana tombony betsaka satria ambany ny vidin’ny herinaratra azo. Mila fampiasam-bola goavana, satria tsy maintsy misy ny fanamboaran-dalana noho ny fidirana anaty ala.
Tsiahivina fa efa mandeha koa, ankehitriny, ny fanombohana ny tetikasa Volobe II any Toamasina, famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano. Etsy ankilany, maro ny tetikasa hafa entina hampiroboroboana ny sehatry ny angovo. Misy ny fampiarahana ny fampiasana solika sy ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Njaka Andriantefiarinesy