Maro ny olona mivelona amin’ny biby tongo-droa sy tongotr’efatra. Raha ho an’ny Malagasy manokana, ny akoho sy ny alika no tena be mpiompy. Ao ireo mivarotra akoho fa ao koa ny mivarotra alika “chien de race”. Ilaina fahaizana nefa ny mikolokolo azy ireny.
Efa betsaka ny Malagasy miompy biby. Nisy ny fanadihadiana natao tamin-dRandrianjafimanana David, teknisianina amin’ny resaka fiompiana eto Madagasikara, hiresahana manokana ny mahakasika izany. Nilaza ny tenany, ny herinandro lasa teo, fa ilaina fahaizana ny fikolokoloana sy fiompiana ireny biby ireny. Antony, samihafa tanteraka ny aretina mahazo azy, ny sakafony, sy ny fepetra tokony hiainany ahafahany miaina tsara.
Eo amin’ny resaka aretina, tsy mitovy ny aretina mahazo ireo sokajim-biby ireo. “Raha eo amin’ny tongotr’efatra, raisina ohatra ny alika, matetika mahazo azy ireny ny aretina “parvovirose”, ary fotoana iray tena hietsehan’izany ny andro mangatsiaka saingy misy foana izy io mandavantaona. Fomba iray azo hisorohana azy ny fanaovana vaksiny”, hoy ity teknisianina eo amin’ny resaka fiompiana ity.
Araka ny fanazavana nomeny, ny alika iray hatramin’ny telo volana eo no tena tratran’io aretina io. “Ankoatra ny alika, misy ihany koa ny aretina mahazo ny saka, ary tena mamparary azy dia ireo biby kely mihinana ny nofony ka mety hampalemy azy. Anisan’ ny fisorohana ny aretina mpahazo azy ny famonoana ny bibikely toy ny parasy eny amin’ ny vatany, sy ny fanomezana azy ody kankana”, araka ny fanazavany.
Eo amin’ny sakafo, nilaza Randrianjafimanana David fa tokony hatao mifanaraka amin’ny vatan’ilay biby ny sakafo. Toy ny zavamananaina rehetra ihany mantsy izy ireny ka tokony hatao ara-dalàna tsara ihany koa ny sakafony.
Tongo-droa
Raha ho an’ny tongo-droa indray, ny akoho no tena hita fa be mpiompy indrindra. Ary amin’izao vanim-potoanan’ny hatsiaka izao, matetika iharan’ny aretina izy ireny, hoy hatrany Randrianjafimanana David. “Aretina iray tena mpahazo ny akoho matetika ny barika, ny pesta ary ny aretin’ ny taovam-pisefoana. Misy vaksiny daholo izy ireo”.
Nomarihiny fa ny fomba tsotra sady tsara dia ny fanatonana ireny toeram-pitsaboana biby fiompy ireny, ilaina hatrany ny maka torohevitra mahakasika izany.
Samy manana ny fomba fanomezana sakafo ho an’ireny akoho amam-borona ireny moa ny olona tsirairay, ao ireo mikendry ny hampatavy azy vetivety, saingy tsara hatrany ny mijery ny fatrany izay mifanaraka tsara aminy.
Nanantontosa: Fitia Randria