Hatramin’izao, andrasana ny hamoahan’ny Filankevi-panjakana didy momba ny raharaham-pifidianana amina kaominina 12. Haverina sa tsia? Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Zava-dehibe ny fanatanterahana fifidianana kaominaly izay tokony haverina”. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny hamerenana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina 12 amin’izao?
Razanamahefa Désirée Marie Stella (-) : Ny lalàna 2014-020 hitanay, manana telo volana ny Filankevi-panjakana. Ny eo anivon’ny Ceni indray milaza hoe manana sivy volana ny Filankevi-panjakana. Ahoana ny fahazoana miditra amin’ny fakana vaovao. Olana goavana izay ny amin’ny lalàna. Efa voalazan’ny lalàna rahateo fa mila hampahalalana ampahibemaso izay. Raha misy izay sivy volana izay, miankina amin’izay ny fikarakarana ny famerenana fifidianana. Sivy volana aorian’ny famoahana voka-pifidianana ofisialy vao mamoaka didy ny Filankevi-panjakana, misy ben’ny Tanàna tsy tokony ho voafidy miasa mandritra ny sivy volana ary misy ben’ny Tanàna tokony ho voafidy tsy afa-manao na inona na inona mandritra ny sivy volana. Lasa loharanon-korontana ny didy amin’izany. Ny tranga malaza be, ohatra, ny any Antanambao Mahatsara, Vatomandry, Toamasina.
* Inona no antony na vokatr’izay?
– Tsy ampy ny fanabeazana momba ny fifidianana. Tokony hisy fanazavan-tsaina. Nefa ry zareo indray no toa lasa mikolokolo fifanilahana eny ifotony. Tokony hazava ny hoe telo sa sivy volana no ananan’ny Filankevi-panjakana amin’ny famoahana didy momba ny raharaham-pifidianana. Manaraka, tokony hazavaina amin’ny olona eny ifotony koa ny didy avoaka.
Tsy mampirisika ny olona handray andraikitra ny tsy fisian’izay. Raha ny marina, tsy fikaramana ny toeran’ny ben’ny Tanàna. Tsy ahazoana vola izany, raha ny lalàna no arahina. Matoa manam-bola sy manan-karena, misy fanararaotana ao… Tsy ampy hahazoana harena, raha ny karama sy ny tombontsoa voalazan’ny lalàna ho an-dry zareo. Nefa ny fijerin’ny olona: voafidy rehefa misy ny fanaovana antsojay. Toy ny hoe misy fihemorana ihany ny demokrasia. Ny fifidianana no azo lazaiana hoe fototry ny demokrasia marin-toerana amin’ny firenena iray.
* Ahoana izay amin’ny famerenana fifidianana kaominaly?
– Raha vao olom-boafidy, manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy. Nisy karazana fifanarahana natao nandritra ny fampielezan-kevitra. Noho izany, tsy maintsy manaja ny tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy izy. Ny olom-boatendry, manana tamberin’andraikitra amin’izay nanendry azy. Tsy misy ifamotorany amin’ny vahoaka izany. Izay no maha zava-dehibe ny fifidianana. Tokony hatao alohan’ny fifidianana loholona ny fifidianana kaominaly. Anisan’ny mpifidy vaventy ny olom-boafidy eny anivon’ny kaominaly. Tokony hatao mialoha koa ny fifidianana eny anivon’ny faritra. Rafitra telo no mifidy ny loholona: ny kaominina, ny Faritra, ny Faritany. Voalazan’ny lalàmpanorenana izay.
* Inona no tokony hatao amin’izany?
- Any amin’ny lalàm-pifidianana… Tokony hohatsaraina ny lalàm-pifidianana. Ankoatra izay, tokony hisy koa ny atrikasa hiantsoan’ny Ceni an’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana hanaovana tombana. Mila manao fanabeazana mandritra ny taona ny Ceni, fa tsy amin’ny fifidianana ihany. Tsy mety loatra ny rafitra amin’izao: misy ny raiki-toerana sy tsy raiki-toerana. Nefa ireo raiki-toerana tsy manao fanabeazana, fa toy ny manao fitantanana fotsiny. Ireo tsy raiki-toerana no tena manao ny asa sy mifandray amin’ny vahoaka : manao ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale), miatrika asa rehefa fifidianana. Tokony hanafaingana ny famoahana didy ary ny Filankevi-panjakana hanatanterahana ny fifidianana tokony haverina. Nisy kaominina 27 tokony ho naverina ny fifidianana tamin’ny 2019 nefa tsy natao. Lasa mamerina an’izay fahadisoana izay isika amin’izao, raha tsy manafaingana an’izay. Toy izany koa ny tokony hanaovana fifidianana izay hitantana ny Faritra sy ny Faritany.

* Ahoana ny fahitanao ny Rale izay mifarana ny 15 mey?
- Misimisy ihany ny nisoratra anarana… Ny amin’ny ordonansa farany teo no olana amin’ny Rale, izay fanajana ny fanakatonana lisi-pifidianana. Nefa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo, tsy voahaja izay. Andinin-dalàna iray momba ny ordonansa no nanokafana ny lisi-pifidianana. Teto Antananarivo, ohatra, ny olona nampidirina ao anaty lisitra tamin’ny alalan’ny ordonansa no betsaka no ho izay amin’ny fanaovana Rale. Miankina amin’ny mpanisa mpifidy eny anivon’ny fokontany ny Rale, arakaraka ny fanentanan-dry zareo sy ny fanaovany ny rejisitra araka ny tokony ho izy.
* Inona no tena maha zava-dehibe ny fifidianana ka hanaovana izay tokony haverina?
– Nifidy ho tany demokratika i Madagasikara… Satria mila tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana fampandrosoana eny ifotony isika. Ny olom-boafidy no solontenam-bahoaka hanatanteraka izay. Izy no mamolavola sy mamaritra ny laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny kaominina. Avy eo, izy no mitady ny fomba rehetra na mpiara-miombon’antoka eo an-toerana na avy any ivelany, ny enti-manana ny fampandrosoana hipaka any amin’ny tsirairay. Ny kaominina no tena akaiky ny vahoaka ny amin’izay fampandrosoana izay. Momba ny lalàna sy ny fanaraha-maso ny mpanatanteraka, ohatra, no tena andraikitry ny depiote. Ny amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny an’ny filohan’ny Repoblika. Fa ny an’ny ben’ny Tanàna no ahitana ny ativilan’ny olom-pirenena: fandoavan-ketra, ohatra. Izay no maha zava-dehibe ny fifidianana ben’ny Tanàna. Raha tsy manana ben’ny Tanàna voafidy, voafetra ny fahefana ananan’ny delegasiona manokana, izay tsy mifamatotra amin’ny vahoaka fa amin’izay nanendry azy. Ny dikan’izay, tsy mipetraka ny hoe demokrasia: olom-boafidy no mitantana.
Nangonin’i R. Nd.