Fanaovana sary amin’ny rindrina: niainga tamin’ny fanarahana alok’olona iray

Asa maro mpanao ny fiangaliana sary amin’ny rindrina, eto Madagasikara. Asa tanana mahaliana ny maro izy io satria ma­hasarika ny mason’ ny mpijery.

Anisan’ny asa tanana maro mpanao ny sary amin’ny rindrina na ny
« graphiti » amin’ny fiteny frantsay, eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, mitovy amin’ny fanaovana sary hosodoko amin’ny taratasy ihany izy io. Ahitana mpanao izany avokoa ny ankamaroan’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Toy ny etsy Mahamasina, Ana­lakely, Anosy, sy ny faritra maro hafa. Ny tanora no tena mise­hatra amin’ny fanaovana ity asa ity. Tsy mifidy fa manao izany avokoa na vavy na lahy. Anisan’ny misehatra amin’io asa tanana io Ramanandrai­tsiory Victor.

Niainga tamin’ny fanao­vana sary alok’olona iray ny fanaovana sy fianarana io sary io tamin’izany, raha ny fanazavana voaray. “Mifan­dimby mijoro izahay ary ma­naraka ny sarin’ aloka hivoaka sary tena izy eo amin’ny rindrina”, hoy ihany izy nitantara. Natao kilalao sy fialamboly ny fanoritana ny alok’ankizy iray amin’ny tany na rindrina re­hefa fotoam-pialantsasatra. Mahafinaritra ihany koa ny fotoana niarahan’ny mpampianatra hanao ny sary eny amin’ ny solaitrabe tany am-piana­rana. Lasa toy ny fialamboly mihitsy aza izany satria tiana ihany koa ny manao azy. An­koatra izay, misy mihitsy ireo ankizy zanak’olona manan-katao manakarama mba hanao sary rehefa tonga tany amin’ ny ambaratonga faharoa sy tany amin’ny lycée. Namba­rany fa mila faharetana ny fanaovana izany. Satria, tsy mihetsika mihitsy ilay olona raha tsy vita ny sary izay natomboka.

Nanomboka nanao sary tamin’ny taratasy fotsy rehefa nitombo ny taona. « Naverina tamin’ny taratasy fotsy ny sary teny amin’ny rindrina natao tamin’ny pensilihazo satria naloto tamin’ny saribao ny rindrina”, hoy ihany izy. Lasa zatra nanao sary tamin’ny taratasy fotsy tao anatin’ny fotoana fohy, teo amin’ny fahavalo taonany izy. Mbola enina taona mantsy vao nahazo niditra an-tsekoly ny ankizy tamin’izany fotoana izany. “Tsy sahirana mihitsy aho ny nanoratra, indrindra izany sorakaliana izany satria efa zatra tamin’ny nanao sary », hoy hatrany izy. Natao avokoa ny karazana sary hosodoko rehetra na sarin’olona na tanàna. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana manao « logo» tamin’ ny fankalazana ny faha roa­polo taonan’ny sekoly nianarana tamin’izany fotoana izany. Niteny ny mpiara-mianatra fa hahazo ny loka voalohany izaho ka tanteraka tokoa nony natao ny fizarana. Nanom­boka teo, “nampirisika avokoa na ny mpampianatra na ny mpiara-mianatra fa tokony hifantoka amin’ny fanaovana sary aho. Tsy hijanona ao an-tsekoly intsony fa nivoaka nandray anjara amin’ireny fifaninanana hafa ireny mihitsy taty aoriana », araka ny nambaran’i Victor.

 

Asa nolovaina ny ankamaroany

Nolazainy fa asa nolovaina tamin’ny ray aman-dreny teo aloha izy io. Tsy misy toeram-pianarana na sekoly mano­kana momba ny fanaovana sary ihany koa eto an-toerana. « Efa mpanao sary hosodoko ny ray aman-drenibe teo aloha ka niampita tsikelikely taty aminay zafikeliny ny fahaizana izany”, hoy Ramanandraitsiory Victor, mpisehatra eo amin’ny fanaovana ity asa tanana iray ity. Efatra mianadahy izahay ny iray tampo, roa lahy sy roa vavy ary samy mahay manao sary avokoa saingy samy manana ny manavanana azy avy. “Mpanao sary hosodoko amin’ny lamba zandiana ireny ny dadabeanay fony fahave­lony”, raha ny nambaran’ity mpanantalenta ity.

 

Nitetezana faritra maro

Asa mahavelona tsara ny fanaovana ny sary amin’ny rindrina ankehitriny na tsy miasa amin’ny orinasa mihitsy aza, hoy i Victor. Ho azy manokana, asa nahafahana nitety faritra sy toerana maro teto amin’ny Nosy izy io. Fantatry ny olona ianao rehefa tsara sy be mpankafy ny asa ataonao. Efa misy laharana finday ihany koa mipetraka eny ka miantso avy hatrany ny olona rehefa te hampanao zavatra aminao. Nahi­tana traikefa ny fitetezam-paritra, indrindra ny any amoron-dranomasina. « Mila mahay mikajy ny taharon’ny zavatra ampiasaina rehefa manao sary hosodoko amin’ny toerana misy ranomasina. Henjanabe mantsy ny fihinanan’ny rivo-dranomasina io loko io ka raha tsy mahay, manjavona ny sary tsy ampy herintaona monja. Maty ny sary kanefa tsy tafita akory ny hafatra tian’ny mpampiasa hampitaina tamin’ny hosodoko teny amin’ny rindrina. Tsy hatoky anao intsony ny olona satria noheveriny fa natao alasafay ny zavatra nampanaoviny kanefa olana ny toe-javatra nanodidina ny tamboho nanaovana ilay sary », hoy hatrany Ramanandraitsiory Victor. Ankoatra ny olon-tsotra, manao kaomandy ihany koa ireo orinasa vaventy, anisan’ny efa mpiara-miasa an-taonany maro.
Ho anay efatra mianadahy, samy manana ny orinasany kely avy izahay. Hifandrombonana ny asa iray rehefa tsy manana asa ny hafa sady maika ny hifindra any amin’ny toeran-kafa indray. Azo lazaina fa mety aloha hatreto ny tsenan’ ny hosodoko amin’ny rindrina, raha ny nambarany hatrany.

 

Nanatontosa: Mino

Partager sur: