Tsy ilay fanahy resahina any am-piangonana akory io fa ilay « fanahy maha olona » izay fantatry ny Malagasy tsara ny fisiany. Izany hoe, fahalalana fa tsy finoana eto no hofakafakaina. « Very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango », hoy ny Malagasy. Tsy afa-manao na inona na inona fa ilay elatra natao hanidinana mihitsy no tsy ao intsony. Raha ireo fahafantaran’ny Malagasy ny fanahy ireo, zava-dehibe ny fananana azy. Faharoa, tsy tokony hisaraka amin’ny olona tsirairay ny fanahy fa manaraka azy any amin’ny toerana rehetra misy azy. Tsy izay anefa ny tena zava-misy marina. Toa very fanahy ny ampahany amin’ny Malagasy !
Ny iray, « ny fanahy no maha olona », ny faharoa, « very fanahy mbola velona… ». Nodikain’ny ampahana Malagasy anefa ireo anisan’ny foto-pahalalana ny « fanahy » eo aminy ireo. Tsy fantany intsony ny hoe, rehefa tsy eo ny fanahy, tsy miaina araka ny maha olona azy izy, hany ka mampanjaka « zavatra » hafa. Ao ireo mivaro-panahy, minia mikipy manoloana ny marina. Tsy vitsy ireo sahy mamotika ny fanahiny mba hiravahana « zavatra » hafa. Nanjary tsy mahataitra ny Malagasy sasany ny miaina tsy misy fanahy hoenti-mandala ny hasin’ny aina. Vono olona etsy, vono olona eroa !
Ilay fananana fanahy, ampahana fototra ijoroan’ity firenena ity no manomboka mirodana miandalana. Na inona na inona anefa fahaizana amam-pahalalana, tsy mba azo soloina zavatra hafa io « fanahy maha olona » io. Tao ireo niezaka nanolo azy tamina diplaoma fa toa vao mainka nandentika an’i Madagasikara any amin’ny lavaka mangitsokitsoka satria tsy niara-niasa ny fahaizana sy ny « fanahy ».
Na manezaka mafy araka izay tratra aza ny Malagasy tsirairay, raha mbola miala na esorina ao aminy ny « fanahy », ho sarotsarotra ny hahita fandrosoana tena izy ho an’ity Nosy ity. Noho izany, mila Malagasy tia miasa sy manam-panahy i Madagasikara raha te hanana fiarahamonina mirindra tahaka ny teo aloha.
HaRy Razafindrakoto