Nankalazaina omaly ny andro afrikanina ho an’ny fomban-drazana sy ny fomba amam-panao. Anisan’ny nankalaza izany i Madagasikara. Nisy ny hetsika maro natao nandritra izany, toy ny fihaonana teo amin’ireo mpandala ny nentin-paharazana, fitsofan-drano, fiaraha-misakafo ho mariky ny fankalazana sy ny maro hafa. Zava-dehibe ny fanomezan-danja ny fomban-drazana satria antoka sy loharanon’ny fitsipi-piainana eny anivon’ny fiarahamonina tsirairay izany. «Tafiditra ao anatin’ny fomban-drazana avokoa ny fomba ombam-pinoana hifandraisana sy hifandrohizana amin’ireo olona taloha izay lasan-ko razana”, hoy Andriandrainarivo Josephin, filohan’ny ANTM. Eo koa ny fomba amam-panao sy ny fomban-tany. Tafiditra ao anatin’izany, ny fitsipi-piainana toavina araka ny toetra voajanaharin’ny natiora eo amin’ny tontolo iainana. Rindran-damina sy lasitra hanovozana ny soatoavina hifotoran’ny fady samihafa. Eo koa ny hasina izay mitera-bokatsoa na famaizana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, araka ny riba malagasy na amin’ny firenena samihafa. Nambarany fa fomba iray azo sy niampita avy tamin’ireo olona taloha lasan-ko razana ireo ny hifandovan’ny taranaka mifandimby hatramin’izao, izay mamelon-tsoritra mandrakariva ny maha taranaka ihany koa. Nohamafisiny fa tsy misy sompitry ny hevitra na valaben’ny fahamarinana mihoatra ny fahaizana mifameno sy mitambatra. « Mitondra hery ahafahana manamafy ny firaisankina eo amin’ny samy olombelona sy ny fiarahamonina malagasy ny hetsika fanamarihana tahaka izao », hoy hatrany izy. Manamafy izany ny andininy faha-29 ao amin’ny lalàna 2021-019, tamin’ny 01 jolay 2021, miresaka momba ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina eto Madagasikara.
Mino