Ny taona 1954 no nisy ny tale jeneraly voalohany, dia i Bhon, teratany frantsay. Ny taona 1927 ka hatramin’ny 1954 kosa dia mbola teo amin’ny fitantanan’ny fanjanahantany ka tsy nisy rafitra manokana fa ny governamanta frantsay no nitantana azy mivantana. Ny taona 2009 teo, voatendry ho tale jeneraly faha-13 i Avelin Christian Eddy, tale amin’izao, raha nisolo an’ i Botozaza Pierrot izay nilatsaka ho solombavambahoaka sy naha minisitra azy. Raha hiverenana ny fiandohany, ny didim-panjakana laharana faha-2003-025 sy laharana faha-2004-702 no nanome ny fahaleovantena ny fitantanana ny seranan-tsambo ka nahatonga azy ho Spat (Société de gestion du port autonome de Toamasina).
Niantomboka teo amin’ny fitantanan’i Botozaza Pierrot, nodimbiasan’ny tale jeneraly ankehitriny, Avelin Christian Eddy, no nahafahana nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hanaovana asa fanitarana goavana, izay tombanana fa ho afaka hifaninana amin’ny seranan-tsambo lehibe rehetra any amin’ny firenena matanjaka. Mitetina 639 tapitrisa dolara ny tetibola natokana ka ny 411 tapitrisa dolara no avy amin’ny Agence japonaise de coopération internationale (Jica), izay avy amin’ny tambin’ny vola trosaina (Fonds de contre valeur), raha 227 tapitrisa dolara no fanohananana avy amin’ny governemanta malagasy. Ny tanjon’izany tetikasa lehibe izany dia ny mba hisian’ny seranan-tsambo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy hahazaka sambo faran’izay lehibe indrindra, ka eto amintsika no ho lasa fiantefana ary ho eto indray ireo sambo avy amin’ny firenena hafa no maka ny entany. Tafiditra amin’izao fanitarana sy fanarenana izao avokoa ny fanamboarana ny fitahirizana entana amin’ny velaran-tany 15 hekitara. Fanitarana ny toerana fandraisana entana (quai), mirefy 756 metatra miaraka amin’ny halalin’ny rano 16 metatra ary ny fametrahana fitaovana maoderina toy ny “Ship-to-Shore gantry cranes”.
Aorian’ny taona 2026
Tombanana ho vita aorian’ny taona 2026 ny fanitarana ity seranan-tsambo lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity. Vokatr’ izay, hitobaka ny asa sy ny karazana fihariana atao ho an’ny daholobe. Ankilan’izay anefa, raha ny vokatry ny fanadihadiana hatrany, ahina hiteraka olana amin’ny tany noho ny fitodihan’ny olom-pirenena sy ny vahiny hanorina orinasa eto Toamasina. Tsy mandeha irery izay fanitarana na ny fahavitan’ny seranan-tsambon’ i Toamasina izay, fa tombanana hiitatra amin’ny fanarenana sy fanitarana ihany koa ny zanaka seranan-tsambo manamorona ny ranomasin’ i Madagasikara, toy ny ao Mananara, Maroantsetra, Nosy Ste Marie, Antsiranana, ary maro hafa. Etsy andaniny kosa anefa, ny mety ho fahavitan’ny tetikasa Volobe faharoa dia hanatsara ny lafiny herinaratra. Araka izany, hitondra vokatsoa ho an’ny daholobe ireo rehetra ireo.
Mitsinjo ny sosialim-bahoaka
Amin’ny akapobeny, mitodika amin’ny rafi-piarahamonina sy ny ara-toekarena io seranan-tsambo io. Mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny fitantanan’ny tale jeneraly ankehitriny. Voalohany, miavaka ny sendikan’ny mpiasa anivon’ny Spat, tsy ho toy ny sendikan’ny mpiasa hitokona sy hilahatra ary hilanja sorabaventy tahaka ny hafa fa sendikan’ny mpiasa mitodika ho an’ny hoavy maharitry ny daholobe. Anisan’ny hetsiky ny sendika isaky ny voalohan’ny volana mey ny mamboly hazo manome voa fihinana biby anaty ala. Tamin’ ity taona ity, zana-kazo 3000 fototra tamin’ny velaran-tany 1 500 ha no voavoly, tetsy amin’ny valanjavaboahary Ivoloina. Nohamafisin’i Jaonasy Jean Berhoman, fa « arahi-maso isaky ny 6 volana ny zana-kazo volena ary soloina avy hatrany izay maty, amin’ny maha tombontsoa ho an’ny daholobe azy».
Amin’ ny ara-toekarena, saika mpanohana ireny hetsika foara na Tsenabe ara-toekarena ireny ny Spat, noho izy mandray anjara amin’ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanamboarana ireny fotodrafitrasa tantanin’ny kaominina sy ny faritra. Amin’izay fanohanana izay hatrany, mifanome tanana amin’ny rafi-piarahamonina ny Spat. Mandray anjara amin’ ireny tranga haintrano ireny ihany koa, izy rahateo manana fiara mpamono afo raitra sy goavana, Isaky ny voalohan’ny volana marsa, tsy hadinon’ny Spat ny fikambanam-behivavy. Eo ihany koa ny mampisakafo ireo ankizy tra-pahasembanana taizan’dry masera etsy Tanamakoa, raha tsy hilaza ny fanohananana ny mpanao gazety. Izany indrindra no nilazan’ny Tale jeneraly hoe « andao hifanome tanana mba ho tsara ho an’ny taranaka ».
Nanatontosa : Sajo / Ninah (mpianatra asa)