VAOVAO TAMBATRA

Mihamafy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihatra indroa isan’andro izany, maharitra adiny iray fara-fahakeliny. Voalaza fa mihena ny haavon’ny rano mamatsy ny milina mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano. Voafetra anefa ny solika ampiasaina manodina ireo milina manodina herinaratra, antony mahantonga ny fanapahana mihodina. Voakasik’izany koa anefa ny faritra maro manerana ny Nosy.

Araka ny lalàna mifehy, tsy mihoatra ny 10 000 euros, na ny mitovy sanda aminy raha vola vahiny hafa, ny fetra farany ambony azon’ny mpandeha fiaramanidina entina any ivelany. Voakasak’izany ny olon-tsotra, fa misy kosa ny fepetra sy ny dingana tsy maintsy harahina ho an’ny mpandraharaha, raha antony fandraharahana na noho ny fihariana ataony no hivoahana any ivelany, ka mitondra vola mihoatra an’io fetra io.

Nitsidika ny toerana hiasan’ny tetikasa SLEM, hiarovana ny Tandavanala Cofav (Ambositra-Vondrozo), ny tale mpanatanteraka ny Green Climate Fund (GCF), Mafalda Duarte, ny herinandro lasa teo. Nahafa-po azy ny fihaonana mivantana tamin’ireo VOI any an-toerana, nahitany ny vokatra nentin’ny tetikasa amin’ny fitantanana maharitra ny ala voajanahary Cofav sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina.

Partager sur: