Nihamaro isa ny filazana zaza very sy ombay mitady eny anivon’ny tambajotran-tsosialy amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 45 ny isan’ny ankizy mitsoaka sy mandositra ny tranon-dray aman-dreniny teto an-drenivohitra, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisim-pirenena. 29 ny vehivavy amin’izy ireo, raha 16 ny lehilahy. Tandrevaky ny ray aman-dreny ny tena antony mahabetsaka an’ireo ankizikely very sy karohina.
Voasokajy betsaka amin’izany ny ankizy miditra amin’ny adolantsento. “Tsy tia ny zava-misy iainany andavanandro matetika ny anton’ny fitsoahan’izy ireo”, hoy ny Dr Domoina Malala Marie Lucienne. Nambarany fa misy mandringa ny fitaizan’ny ray aman-dreny ny zanany eo anivon’ny tokantrano, noho ny fahasahiranana eo amin’ny asa aman-draharaha isan’andro. Lasa manome sy mividy zavatra sarobidy (finday) ho an’ny zanany ny ray aman-dreny mba ho setrin’izany. “Sehatra iray ahitan’ny ankizy mpandangolango any ivelany matetika ireny teknolojia ireny ka hanariany ny ao an-trano”, hoy hatrany izy. Aleony manaraka olona mampanantena azy zavatra hafa ka mahatonga azy ireo handositra sy hiala ny tokantranon-dray aman-dreniny. “Tomponandraikitra voalohany amin’ny fiainan’ny zanany ny ray aman-dreny na dia eo aza ny hamafin’ny fiainana sy ny fahasahiranana”, hoy hatrany izy. Tsara ny fametrahana fotoana hifampiresahana sy hampahafantarana azy ireny ny zava-misy iaianany, mba hahafahana manatsara sy manome vahaolana eo anivon’ny ankohonana. Efa miezaka hatrany ny mpitandro filaminana mikaroka ny mpanao ratsy.
Mino