Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Izay no anisan’ny antoka amin’ny hoe fangaraharana amin’ny fitantanana, tan-dalàna, mandroso… Sarotra hajaina sy tanterahina izany, raha tsy mazava sy maoritra tsara izay aleha sy atao. Tsy mitsapatsapa izany, tsy miova hevitra tampoka eny am-pandehanana, mamita hatramin’ny farany izay fanamby hoe atao. To teny izany: manao sy mahatanteraka, hajaina sy inoan’ny hafa koa amin’izay lazainy. Anisan’ny manahirana amin’ny fanovana sy fampandrosoana eto Madagasikara, hono, araka ny fahitan’ny vahiny sasany azy ny hoe am-boalohany ihany rehafa manao zavatra: fanaraha-maso, fampiharan-dalàna…
Tsy lazaina tsinona izay atao, tsy atao izay lazaina. Tsy mahagaga raha saika andranandrana izay atao, tsy azo antoka hoe ho tonga hatramin’ny farany izay natomboka. Manampy trotraka ny fitiavan-kiseho hoe manao sy mahavita. Matetika, alaim-panahy hamalifaly olona hoe mahavaha olana eo ho eo koa amin’izany. Dia saika eo no ho eo tokoa ny vahaolana fa tsy maharitra, tsy azo antoka… Tsy mahagaga raha miverimberina hatrany ny olana, tsy mahafa-bela, misy mitombo an-dalana aza. Tsy izany ve, ohatra, ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano? Eny, ny amin’ny tsy fandriampahalemana aza, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa…
Miezaka mamaha olana ifotony ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Tsy mora, mila fahasahiana, faharetana… Indrindra ny fanazavana mitohy sy maharitra. Izay ilay hoe atao izay lazaina, lazaina izay atao. Izay no mampisy fifampitokisana mafy orina sy maharitra. Aiza ho aiza avy, ohatra, ny asa natomboka? Hazavaina mbamin’izay misy fiatoana, na najanona, na ovaina… Tsy aleo aseho hoe misy ny asa atao? Eny, na izay vita na tsy mety ho vita…
R. Nd.