Tsena karbôna: havokavoky ny tontolo mananaina ny ala

Nanomboka fantatra ny atao hoe Tsena Karbôna tamin’ny tao­na 2008. Nisitraka azy voalohany i Madagasi­kara ny taona 2023, hitandroana ny atiala an-tanety.

Maridrefy mifandray amin’ny fampihenana na fanafoanana ny fiparitahan’ny singa dioxyde de carbone (CO2) na ny singa mifanahantasahana aminy, Gaz à effet de serre (GES) milanja 1 taonina na ny mifandanja aminy ny atao hoe Tsena karbôna (crédit carbone). Napetraka izy io ao anatin’ny dingana amin’ny tsena iraisam-pirenena entina hampihenana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Rafitra ifanakalozan’ny mpisehatra ara-panjakana na amin’ny tsy miankina amin’ny alalan’ny fetra voafaritra (quota) na koa ambara.
Faritana amin’ny ala voajanahary voaaro ny fatran’ny tsena karbôna voatahiry. Aroso eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ka afaka mividy azy ny rafitra iraisam-pirenena, na koa ny orinasa vaventy indostrialy, sokajiana ho mpanimba ny tontolo iainana, noho ny fihariana ataony.
Havokavoky ny tontolo mananaina ny atiala. Ma­nodidina ny 7 tapitrisa ha ny ala an-tanety eto Mada­gasikara, manome ny 10%
ny velaran-tany manontolo. Voakasik’izany ny tapany atsinanana. Nahazo famatsiam-bola, voalohany, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ta­min’ny tsena karbôna, mitentina 8,8 tapitrisa dolara, i Madagasikara, ny desambara 2023. Mifanandrify amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny karbôna milanja 1,76 tapitrisa taonina. Tafiditra ao anatin’ny Fampihenana ny fiparitahan’ny entona vokatry ny fandripahana ala (Redd+).
Firenena fahatelo nahazo ity vola ity i Madagasikara, miampy an’i Mozambika sy i Ghana.
Mitotaly 50 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, ka aloa intelo miantoana ny famoahana azy araka ny fifanarahana ERPA, entina hampihenana ny fiparitahana entona CO2 milanja 10 tapitrisa taonina. Voakasik’izany ny tapany atsinanan’i Madagasikara.

Tetikasa 15

Nilaza ny tomponandraikitry ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, i Atou Seck, fa manan-danja amin’ny fiarovana ny tontolo mananaina ny ala atsinanan’i Madagasikara amin’ny lafiny rohivoahary. Voakasik’izany ny fampihenana sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny fiarovana ny sahandriaka, ny fampihenana ny haintany sy ny tondra­drano.
Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, anisan’ny tena mandripaka ny ala atsinanan’i Madagasikara ny fambolena, ny fanamboarana saribao sy fikapana kitay, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna, ny fitrandrahana hazo ary ny fiompiana ankalamanjana.
Nilaza ny mpandrindra ny Birao nasionalin’ny Tsena karbôna (BNCCREDD+), Rave­lomanana Lovakanto, fa miisa 15 ny fandaharanasa voara­kitry ny REDD+ ho an’i Madagasikara. Misy ny drafitrasa manokana misahana ny fitsinjarana ny famatsiam-bola, ka tena misitraka ny ampahany betsaka ny von­dron’olona eny ifotony. Nanamarika ny Dredd Sofia, ny DR Manantsoa Clermond, fa tsy lelavola no zaraina, fa amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Eo koa ny fana­re­nana ny faritr’ala simba, sy
ny fampiharana fambolena manaja ny tontolo iainana. Misy ihany anefa ny ampahany lelavola, hatao tambim-bola ho an’ireo mpanara-maso na ny mpisafo ala,
ohatra.

Mitahiry CO2 avo 4 heny ny ala honko

Mahatratra 300 000 ha ny ala honko eto amintsika, ka ny morontsiraka andrefana no tena ahitana azy. Nambaran’ ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Sofia, ny Dr Ma­nantsoa Clermond, fa ahazoana tombony kokoa ny ala honko satria mitahiry entona karbôna avo efatra heny miohatra amin’ny ala an-tanety.

 

Nanantontosa: Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: