Manomboka mitombo isa ankehitriny ny foibe kolontsaina mampianatra momba ny fomba amam-panao, zavakanto malagasy, fanandroana, sikidy… Endrika iray maneho fa mivelatra sy liana amin’ny momba azy ny Malagasy, indrindra ny tanora. Amin’ny ankapobeny, fahalalana maro no azon’izy ireo any amin’ireny foibe na toerana fampianarana ireny. Tsikaritra kosa, anefa, fa vitsy kokoa ny fampiharana…
Tsy nanana sekoly nianarana ny Malagasy fahiny fa saika teny anivon’ny fiarahamonina no nandratoany fahalalana. Noho izany, ilaina ny fanatanterahana dia fanabeazana ho an’ny mpiofana ao amin’ireny foibe ireny. Eny an-tsaha no mianatra ny raokandro, rohontany. Mandinika ny fihetsiky ny biby isan-karazany. Mijery ny hery sy ny hasin’ny lamina voajanahary, sns.
Tsy ho hita ao anaty rindrina efatra ireo rehetra ireo. Antony goavana hanomezan-danja ny dia fibeazana. Mbola mipetraka ho olana kosa anefa ny fandaniana amin’ny fanatanterahana azy ireny. Tsy manana fahefa-mividy hanatontosana izany ny ankamaroan’ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto