Lany fanindroany teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza indray ny lalàna mifehy ny toaka gasy. Miandry izay ho fanapahan-kevitry ny Antenimierandoholona indray. Ity farany izay efa nitsipaka izany taona vitsy lasa izay. Mikiry biby anefa ny depiote ka nanova ny votoatin’ny lalàna ka izao izy mbola neken’ny besinimaro izao indray.
Hitondra inona ho an’ny firenena tokoa ny fanalalahana ny toaka gasy. Izao aza ny fiarahamonina ity efa misambadidaka ambony ambany noho ny fihanaky ny zava-mahadomelina. Tsy mamokatra intsony ny ankamaroan’ny olona donton’ny toaka sy ny rongony, indrindra ny eny amin’ny toerana izay tena misy ireo marefo. Mihazakazaka maka fahafinaretana, hanadinoana ny adim-piainana Ramalagasy!
Fomba fihevitry ny olona miiba anefa izany. Firifiry tokoa ny talenta ananan’ny Malagasy no tsy avadika ho fanoitra? Vao miresaka hoe “gasigasy” dia efa hamavoina sy hatsatsoina. Vao hoe vita Malagasy dia heverina ho ratsy. Tsy ampy anefa ny fanentanana sy ny fampahafantarana. Hany ka kisary ratsy hatrany no mivoaka.
Mila manova lalan-tsaina hitondrana fandrosoana eto amin’ity firenena ity ihany koa ny olom-pirenena. Tsy tokony hitombona intsony ny fomba fiteny mahamenatra sy mamohehatra: manao valalan’amboa ilay Malagasy. Mila mifanohana sy mifampisintona ny mpiray tanindrazana. Firifiry amin’ny olona any ambanivohitra manan-talenta amin’io resa-toaka io no hisitraka tombony anatin’ny ara-dalàna.
Matetika tsy ny Malagasy mahalala ny hodidina misy ato anatiny no mibaiko sy manome toromarika amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary misy. Anisan’ny tokony ho jerena ihany koa ohatra ny mahakasika ny fanodinana ny rongony ho fanafody na ho akora fototra amin’ny resaka lamaody sy lamba. Santionany ireo saingy mbola zava-doza ny fahasahiana miteny izany! Mampigadra! Samy mandinika fotsiny aloha…
r.r