Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany

Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM.

“Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba efa fanao hatramin’izay”, hoy Razaka Mireille, tompon’andraikitry ny GSDM. Voly tokana foana nataon’ny tantsaha hatramin’izay sady amin’ny toerana iray. Ohatra, vary na katsaka ihany no voleny amin’ny tany iray. Voa­sokajy ao anatin’ny manimba sy mitroka ny tsiron’ny tany anefa ny vary na ny katsaka. “Tokony hampifandimbiasana ny voly volena eo ambonin’ny tany ao anatin’ny taona roa na telo”, hoy hatrany izy. Manatsara ny tsiron’ny tany izany fifandimbiasana voly izany satria misy voly mitroka ny tsiron’ny tany ary misy voly mamerina ny tsiron’ny tany.
Nahavokatra foana ny tany hatramin’izay kanefa tokony ho fantatr’ireo tantsaha fa zava-mananaina ohatran’ny olombelona ihany ny tany. Miha simba ny tany rehefa trandrahina foana. Misy tany tena nialan’ny tompony mihitsy satria tsy mahavokatra intsony any ambanivohitra sasany any. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany misy ny teknikam-pambolena. Ny fahatsapana izany no antony nampidirana ny “agro écologie” eo amin’ny sehatry ny fambolena, raha ny nambarany. Fomba fiasa vaovao amin’ny teknikam-pambolena ny « agro écologie ». Mikendry ny teknikam-pambolena mahomby ho amin’ny famokarana maharitra sy manatsara ny tany ary mampitombo ny vokatra sy mikajy ny tontolo iainana.
Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny zezika ampiasaina. Toy ny fanaovana ny « compostage » amin’ny alalan’ny fampifangaroana ny ravina maina sy maitso. Eo koa ny zezika kankana sy ny fampivadim-boly amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ary ny fanaovana voly avotra. Mivoy sy manaparitaka ny teknika vaovao manerana ny Nosy ny vondrona GSDM.

Ahazoana tombony maro ny “agro écologie”

Maro ny tombony lehibe azo avy amin’ny fanaovana “agro écologie” eto amin’ny Nosy. Voalohany, ny fitantanana ny tany maharitra satria mananaina ny tany ka maty izy raha simbaina amin’ny fambolena ratsy. Faharoa, mampamokatra bebe kokoa ny tany rehefa ao daholo ny otrik’aina ilainy sy tadiaviny. Azo antoka ny vokatra ary miha betsaka ihany koa ny vokatra miakatra. Fahatelo, antoky ny fahasalaman’ny tany sy fiarovana ny tontolo iainana izany. Miteraka tombontsoa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy izany. “Mitombo sy mahazo hery ny mpamboly, mitombo ny vola miditra aminy satria tsy natokany hohanina intsony ny vokatra fa afaka amidy ihany koa ny ambim-bava”, hoy ihany izy.

Ampidirina any an-tsekoly
Ankoatra izay, atsofoka any anaty fandaharam-pianarana ny lohahevitra momba ny “agro écologique” izay volavolain’ny minisiteran’ny Fana­beazam-­pirenena eto Mada­gasikara. Mila ampidirina ao an-tsain’ny ankizy fa tsy tokony hopotehina ny tontolo iainana. Amin’izao fotoana izao, efa ao anatin’ny « phase d’essai » izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. 186 ny sekoly efa mampihatra ity fampianarana ity manerana ny Nosy. Lasa ohatran’ny laboratoara ireo toeram-pianarana ireo. Ampiharina ao amin’ireo sekoly ny fandaharam-pampianarana vaovao mahakasika ny teknikam-pambolena maharitra manaraka ny agro écologie. Mitatitra mankany amin’ny minisitera momba ny vokatry ny fampianarana ireo mpampianatra. Tanjona ny hahafahana mahatsara ny fampitana ny fahalalana amin’ireo mpianatra.
Anjaran’ny GSDM ny manome ny lohahevitra mahakasika ny « agro écologie », izay ampidirina any anivon’ny sekoly. Ezahina ny hanaovana azy io ho hatao taranja « matière transversale ». Izany hoe, ampidirina any amin’ny taranja toy ny SVT (Science de la Vie et de la Terre), jeografia, ny matematika ary indrindra ny fanabeazana olom-pirenena.

GSDM, mivoy ny “agro écologie”

Fivondronan’ny fikambanana mivoy sy manaparitaka ny « agro écologie » manerana ny Nosy ny GSDM. Ahitana ireo karazana teknikam-pambolena mahomby ho amin’ny famokarana maharitra sy manatsara ny tany, mampitombo ny vokatra ary mikajy ny tontolo iainana izany.
Manana mpikambana 18 ity vondrona ity, samy miasa mikasika ny « agro écologie ». Maro ny anjara asa ataon’izy ireo. Mampiofana momba ny teknikam-pambolena mahomby. Manao fanentanana sy manara-maso ny fampiharana ny teknika. Manangona ny antontan’isa sy antontan-kevitra rehetra momba ny « agro écologie » sy manaparitaka izany. Ankoatra izay, miara-miasa ihany koa amin’ny sehatry ny fikarohana. “Miainga avy amin’ny vokatry ny fikarohana foana no hahazoana manaparitaka ny traikefa, hoy Razaka Mireille.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: