Andriamarotafika Soava : “Miankina amin’ny lalàna mivoaka ny fahazoan’ny diaspora mifidy”

Araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, hahazo hifidy ny teratany malagasy any ivelany na ny diaspora. Maneho ny fijeriny ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava: “Miankina amin’ny fivoahan’izay lalàna na didim-panjakana izay ny hahazoana mampiditra an’ireo teratany malagasy any am-pielezana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao?

Andriamarotafika Soava (-): Raha ny tarehimarika eto an-tanana, mahatratra 8 820 000 mahery na 65 % ny olom-pirenena voasoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy manerana an’i Madagasikara amin’izao fo­toana izao. Izay no tonga eny amin’ny rantsamangakain’ny Ceni eny anivon’ny distrika, fa mbola misy ny rantsamangaika eo amin’ny kaominina. Misy ny fidinan’ny rantsamangaikan’ny Ceni hatrany amin’ny faritra sy kaominina amin’izao, na amin’ny fitaomana ny karne mirakitra ny takelaka fisoratana anarana aza. Mavesatra be izany, nefa misy ratsy ny lalana. Tsy maintsy mitady fomba izahay hampiakarana azy any amin’ny distrika.

* Ho tratra ihany ve ny tanjona amin’izao tapa-bolana sisa izao?

– Ny hahatafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena manan-jo hifidy no tanjona amin’ny ezaka ataonay. Tsy azo hadinoina, misy sokajin’olona mandà, tsy mety hisoratra anarana. Zony izay. Tsy azo terena izy. Misy ny antoko politika, mitaona ny olona tsy hisoratra anarana. Ny sasany, nitaona tsy hisoratra anarana teo aloha; taty aoriana, mandrisika indray amin’ny fisoratana anarana. Misy koa ny fikambanam-pivavahana mi­taona ny olona tsy hisoratra anarana, fa hoe ny fanjakan’ny lanitra ihany ny azy.
Na izany aza, nataonay ihany ny fandresen-dahatra sy ny fanentanana. Tany amin’ny kaominina Alasora, ohatra, ny lehiben’ny fikambanam-pivavahana no tafaresaka tamin’ny birao maharitry ny Ceni: rehefa natao ny fanazavana, izy indray no nitaona ny mpiangona ao aminy hisoratra anarana. Tsy vita tsirairay toy izany ny fandresen-dahatra, fa fanentanana ankapobeny no atao. Heverina fa misy akony tamin’ny sasantsasany izany, na tsy izy rehetra aza.

* Aiza ho aiza ny fisoratana anaran’ny voafonja tsy mbola very zo?

– Efa manomboka izay… Tsy maintsy jerena isan’andro, fa misy fiovana isan’andro ny satan’ny olona. Mandefa ara-potoana ny fiovan’ny satan’ny voafonja ny eny anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Na ny olona afaka ety ivelan’ny fonja aza, mety ho voaheloka tampoka eo anelanelam-potoana: very ny zony. Tsy maintsy hita any amin’ny tatitry ny minisiteran’ny Fitsarana izany.

*Ahoana no hanatanterahana ny hoe afa-kandray anjara amin’ny fifidianana eto Madagasikara ireo Malagasy any ivelany?

– Tsy manana olana ny Ceni amin’izay asain’ny lalàna ataony, fa manatanteraka izay voalazan’ny lalàna. Raha misy lalàna na didim-panjakana mivoaka, ny lalàna maniraka amin’izay anjara asa ataonay. Tsy misy afa-tsy izay. Miankina amin’ny fivoahan’izay lalàna na didim-panjakana izay ny hahazoana mampiditra an’ireo teratany malagasy any am-pielezana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Milaza, ohatra, ny lalàna fa manan-jo hofidina ny olona avy any ivelany raha efa mipetraka enim-bolana eto Mada­gasikara. Raha teratany malagasy avy any ivelany ka miverina an-tanindrazana kosa izy, toy ny teratany malagasy rehetra. Ny lalàna no manome zo ho anisan’ny mpifidy.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: