Zava-doza, mampivarahontsana ny mahakasika ilay fahapoizinana ara-tsakafo nahoraka ny faran’ny herinandro hatramin’ny omaly, iny. Olona ampolony no indray namoy ny ainy anatin’ny ora vitsy. Raha manaraka akaiky ilay vaovao dia tena hoe mampihoron-koditra. Inona marina ny zava-niseho? Sakafo nivadika sy lany daty sa misy zavatra hafahafa?
Vao mandinika ny fiparitahan’ny entana feno akora simika, kanefa lany daty, mitobaka eny an-tsena, dia lasa ny saina. Tsy misy zavatra mba milamina fa dia loza mitatao hatrany amin’ny andavanandron-dRamalagasy na ny hanina miditra am-bava aza. Tsy mahavelona intsony fa mety mahafaty avy hatrany.
Tsy vitan’izay fa zary fomba fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny ny fahavoretrana. Aiza ka ny lakozian’ny sasany, mitovy amin’ny “tranon-kisoa” na toeram-piompiana voalavo! Tsy misy fitsinjovana ny hasina maha olona fa baikoin’ny fitadiavam-bola diso tafahoatra. Te hahazo tombony mihoapampana kanefa mametra ny masonkarena ho ambany dia ambany.
Fa ny mahakasika ity tranga niseho teny Ambohimangakely ity, mba vaka ihany ny saina mandinika ny zava-nitranga. Malaza sy niely vetivety ny vaovao fa mosavy e! Tsy mazavazava e! Nahoana tokoa moa no jamba tampoka, nivoa-dra sy nibontsin-kibo ny marary? Tombantombana avokoa izany, fa misy tokoa ny sakafo simba no mahafaty.
Mbola anatin’ny famotorana ny mpitandro filaminana ka andrasana ny havoakan’ny fanadihadiana. Fa misy tranga hafahafa, mampiahiahy ho fanapoizinana mety tsy niniana natao na fahapoizinana tsy nahy ilay izy. Iza no be vinany? Iza no tompon’antoka mivantana na ankolaka? Mila valiana haingana izany satria marary loatra ny mamoy havana anatin’ny indray mipi-maso.
Miroaroa saina ny vahoaka manoloana ny voina. Ny saina efa marefon’ny adim-piainana isan’andro, mbola tratran’itony vorika ara-moraly hafa itony ihany koa.
r.r