Madagasikara, ao anatin’ny toekarena mihodina amin’ny alalan’ny fanafarana sy fanondranana, saingy hita fa matiantoka noho ny fanafarana be loatra (1 219 dolara tamin’ny 2024). Fatiantoka nanomboka ny taona 2005, mitohy hatramin’izao sady mitombo ihany.
Ny hoe fanafarana entana, tsy azo afangaro amin’ny vokatra misy. Mandalo amin’ny sampandrahara manokana ny fanafarana sy fanondranana, mora kokoa ny fikajiana azy no ho ny vokatra mijanona eto an-toerana, Araka ny nambaran’ny OMC ( Organisation mondiale du commerce), taorian’ny 2005 vao fantatra ny antontanisa rehetra. Talohan’ io taona io, ireo vokatra sangany ihany no hita teo amin’ny fifampivarotana.
Fantatra ihany koa ny tetibidin’ireo vokatra hafarana sy aondrana isaky ny firenena maneran-tany. Sarotra ny manao kajy ho an’ireo entana rehetra raha tsy ampy ny fahafantarana ny momba azy .
Fanombanana ny entana nafarana na niditra dia miainga avy amin’ny tatitra ataon’ny fadintseranana izay mamaritra ny habetsaky ny entana miainga avy amin’ny firenena iray mankamin’ny firenena iray; eo koa ny harinkarena faobe ( PIB ) manampy ny tatitra ataon’ny fadintseranana. Io fanitsiana avy amin’ny alalan’ny harinkarena faobe io no ahitana ny lalam-barotra rehetra ataon’ny Malagasy sy vahiny izay tsy hitan’ny fadintseranana, ohatra, amin’ny fakana am-bavany ny hetra naloha.
Niova izao tontolo izao
Niova izao tontolo izao hatramin’ny nahavitan’ny Ady Lehibe faharoa, tamin’ny 1945. Nisy ny firenena sasany tena andalam-pandrosoana tokoa, tao ireo niova rafitra, tao ireo fitondram-panjakana niongana ary maro ireo tranga nampiova ny fiaraha-monina. Mba hahafantarana bebe kokoa izany ny fahalalana ny atontanisa momba ny mponina sy izay rehetra mahakasika izany mifandray amin’ny toekarena.
Ankehitriny, vao mainka miova izao tontolo izao eo amin’ ny fifandraisana ara-barotra. Ny ady ara-barotra eo amin’ny Amerikana sy ny firenena tatsinanana, indrindra eo amin’ny Amerikana sy ny Sinoa, izay samy goavana amin’ny varotra sy ny famoronana. Tsy hita soritra ny kaontinanta afrikanina, manana solika sy akora isan-karazany.
Mihen-danja ireo vokatra fanondrana
Nitombo 979 951 tapitrisa Ar ny fatiantoka eo amin’ny fanondranana tamin’ny taona 2024, raha 887 484 tapitrisa Ar tamin’ny 2023. Izany hoe, mihena hatrany ny fanondranana entana avy aty Madagasikara. Tamin’ny taona 2022 no tsara indrindra ary tamin’ny 2016 no ambany indrindra izany entana naondrana izany. Lavanila, jirofo, poavra, kafe ,letisia, makamba no betsaka fanondrana. Fitambaran’ ireo rehetra ireo, manodidina 65 % isan-taona. Ankoatra izay vokatry ny asa tanana, lamba fitafy samihafa ataon’
ireo orinasa afakaba, vatosoa sy harena an-kibon’ny tany (misy ny tsy ara-dalàna) sy ny vokatra hafa. Ireo, amin’ny ankapobeny, ny vokatra avy aty Madagasikara. Mankany amin’ny firenena tandrefana no maro indrindra. Ankehitriny, tsy vitsy amin’ny mpandraharaha no mitsidika ny tsena atsinanana, indrindra fa i Chine sy ireo tany arabo. Hita anefa fa mihen-danja sady miharatsy kalitao ny vokatra malagasy. Ohatra, ny kafe sy ny letisia, efa antitra ny ankamaroany, eo koa ny tsy fahampian-drano sy ny fikojakojana samihafa. Mbola maro amin’ny vidin’ireo entana ireo, vola vahiny, tsy miverina eto an- toerana noho ny tsy filazana ny marina. Kely no miditra amin’ny Banky foibe, antony iray maha maivan-danja ny vola malagasy. Mitaky fanaraha-maso hentitra avy any ifotony ny fanondranana entana avy eto an-toerana.

Voalohan-daharana ny solika fandrehitra
Eto Madagasikara, tsy sarotra ny manafatra, afa-tsy amin’ ny entana manokana, toy ny solika fandrehitra. Mety koa ny maka torohevitra amin’ny olona manana fahalalana momba izany na amin’ny fadintseranana, na koa manangona ny taratasy rehetra mety ilaina amin’izany, toy ny “Bordereau de suivi de cargaison” (BSC).
Ny entana sasany kosa, mila fahazoan-dalana manokana, toy ny fitaovam-piadiana sy ireo zavatra mety mipoaka rehetra mba hahafantarana ny momba azy manokana. Anisan’ny entana ampidirina betsaka eto ireo karazana solika fandrehitra, ny vary, ny lafarina, ny entana fampiasa andavanandro sasany, fiarakodia… Tsy misy tarehimarika azo antoka noho ireo entana ireo tsy tonga ara-potoana ary samy manana ny filazany ny mpandraharaha sy ny fampitam-baovao. Mariky ny toekarana marefo eo amin’ny firenena iray ny fanafarana entana be loatra, indrindra raha ambany ny sandam-bola, toy ny eto Madagasikara.
Nanatontosa : Mathieu




