Japoney sy Pam: manohana ny sakafo an-tsekoly

Nanomboka ny taona 1998 no efa niara-niasa ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena sy ny masoivoho japoney miasa eto amintsika manatsara ny kalitaon’ny fampianarana. Miompana betsaka amin’ ny fampivoarana ny fizarana sakafo an-dakilasy ny fanohanany. Nanampy tamin’ny fampivorana ny sakafo an-tsekoly koa ny fampiasana ny fomba fiasa japoney Seikatsu Kaizen teny anivon’ny Farimbon’ ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony (Feffi). Nomena fiofanana ny mpikambana amin’ny Feffi momba ity fomba fiasa ity izay nampiharina amin’ny fitantanana ny fizarana sakafo ho an’ny mpianatra. Ahafahana ma­nohy tsy tapaka ny fanomezana sakafo ny kilonga ny fomba fiasa sady mampihena ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny. An­koatra izay, nisy koa ny tetikasa Tafita Jica nampiharina teny amin’ny EPP nanombka ny taona 2016, mbola manohana fanamafisana ny sakafo an-dakilasy ihany. Lasa mahaleo tena ny mpikambana amin’ny Feffi amin’ny fitantana ny toeram-pisakafoana sady nomena vahana ny famokarana ny akora eo an-toerana ampiasaina ao amin’ny toeram-pisakafoana. Fomba iray hampihenana ny tahan’ny fandaozana ny sekoly ny fisian’ny sakafo zaraina maimaimpoana.
Nanampy tamin’ny fa­nanganana efitranon-tsekoly koa ny Japoney, mahatratra 739 no vita hatramin’izay ary mbola mitohy. Nitsidika ny minisitry ny Fa­nabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Mi­chelle ny masoivoho japoney eto amintsika, Abe Koji, tamin’ity herinandro ity nitafa momba ny tohin’ny fiaraha-miasa. Mifanin­dran-dalana amin’izay iha­ny, nidinika momba ny fanatsarana ny fitantanana ny toeram-pisakafoana an-dakilasy tamin’ny minisitra koa ny tale mpanatanteraka lefitra ny Pam any Roma, Manoj Juneja sy ny talen’ ny Pam eto amintsika.

Vonjy A.

Partager sur: