Ambaratonga voalohany na sekoly fanabeazana fototra an’ny fanjakana ny ankamaroany manerana ny Nosy. Hatramin’izao, tsy hita soritra ny any ambanivohitra. Fanaovana tombana izao fotoam-pialantsasatra izao momba ireo olana samihafa .
Niainga avy any ivelany ny tantaran’ny fampianarana eto Madagasikara, nanamarika ny tantaran’ny Nosy nanomboka tany amin’ny taonjato faha-XIX. Tamin’io fotoana io, tamin’ny alalan’ny fiangonana loterana (LMS) no niorina ofisialy teto ny fampianarana. Teo ny mpanjaka Radama I no nampianatra ny vahoakany « ho vahoaka matsilo saina ». Tanjona tamin’izany ny hoe « Malagasy misokatra amin’ny asa sy ny varotra », fa tsy hampivelatra ny fanabeazana eto amin’ny Nosy.
Misy ihany fa vitsy ny tafita tamin’ny fanabeazana na talohan’ny fanjanahantany frantsay aza. Nanomboka tamin’io fotoana io, niova ny rafitry ny fampianarana teto an-toerana. Ho fitaovana fampianaran’ny fanjakana frantsay izay mivelatra amin’ny sehatra rehetra: politika, toekarena, sosialy sy koltoraly izany.
Fahaleovantena tamin’ny 1960, nanamafy ny fitantanana ho tombontsoan’ny olom-bitsy. Navadiky ny tantara izany tamin’ny taona 1972. Efa nisy fampanantenana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanagasiana ny fampianarana. Niezaka ny fanjakana tamin’ny fanapariahana ny fanabeazana fototra manerana ny Nosy. Niaraka tamin’izany ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, izay nanantena mafy ireo zanany.
Mpampianatra Fram
hatramin’izao!
Ny ray aman-dreny ihany no nandray an-tanana ireo zaza noho ny tsy fahampian’ ny mpampianatra ara-dalàna efa tamin’izany fotoana. Manana mari-pahaizana BEPC farany ambany no mampianatra, izay nantsoina hoe: « maîtres Fram » (Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra). Io fikambanana io hatramin’izao fotoana no manome ny karaman’ireo mpampianatra Fram isam-bolana avy amin’ny vokatra na vidim-bokatra, indrindra fa any ambanivohitra. Na vola mivantana avy amin’ny saram-pisoratana anaran’ireo mpianatra ihany koa no hanomezana ny karama.
Tamin’ny 2003 vao nahazo fanampiana kely isam-bolana (110 000 ar), avy amin’ny fanjakana, mandritra ny sivy volana ireo mpampianatra Fram. Tamin’ny 2007, 53 % ny mpampianatra tany amin’ny fanabeazana fototra dia Fram avokoa. Tamin’ny 2014, nitombo avo roa heny ny isany, nahatratra 75 000 isa. Amin’izao fotoana izao, tsy fantatra intsony ny marina.
Tamin’ny 1990, nanomboka nandray anjara tamin’ny fampianarana ho an’ny rehetra ny USAID (Fandaharanasa amerikana momba ny fampandrosoana, izay tsy misy intsony ankehitriny) hatramin’ ny 2015. Nitombo ny ezaka natao hatramin’ny 2008. Anisan’ny fanavaozana natao ny tsy hisian’ny famerenana kilasy fanindroany intsony any amin’ny fanabeazana fototra, any amin’ny sekolim-panjakana.
Izany no natao dia mba hampitomboana ny fidirana mianatra. Tamin’ny 2013, tsy tratra ny tanjona teto amin’ny firenena . 65 % teo ho eo ireo tafiditra nianatra. Fidirana tamin’ny 2020, noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fidiran’ny mpianatra ka nofoanana ny saram-pisoratana anarana isan-taona aloan’ny ray aman-dreny.
Tsy ampy ny mpampianatra
Sarotra iainana any ambanivohitra, antony ny tsy fahampian’ny mpampianatra izay misy fiantraikany any amin’ny fampianarana izany. Eo koa ny tsy fitoviana eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny an-tanàn-dehibe.
Noho izany, tsy ampy ireo mpampianatra tena manana fahaizana takina amin’izany ka voatery ireo Fram no misahana kilasy maromaro. Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fampianarana any amin’ny fanabeazana fototra izany toe-javatra izany.
Sarotra ny mampianatra any ambanivohitra: tsy ampy ny fotodrafitrasa. Na toeram-pivoahana aza tsy misy na tsizarizary. Tsy ampy koa ireo fitaovana hoenti-mampianatra. Ny toerana lavitra sady ratsy lalana ka tsy mahatamana ireo mpampianatra avy any an-dRenivohitra.

Lafo ny fampianaran-janaka
Na mitrosa aza ny fianakaviana sasany mandritra ny fampidirana mpianatra, tsy ampy lalandava ny tolotra misy. 63 % amin’ny ankizy ihany, araka ny fanadihadiana nataon’ ny Unicef no tafita any amin’ny ambaratonga faharoa fototra
(6 ème) na misy ny famerenana any amin’ny CM2 na tsia.
Ho an’ny fianakaviana maro any ambanivohitra, sarotra ny mieritreritra ny fitohizana any amin’ny ambaratonga faharoa. Lavitra ny tanàna ny sekoly, na an’ny fanjakana aza, sady mahabe fandaniana, mainka fa any amin’ny sekoly tsy miankina.
« Sarotra ho an’ny mponina any ambanivohitra, izay miaina ao anatin’ny fahantrana ny maro, ny mampiana-janaka », hoy ny Unicef. Tsy mitovy ny faritra rehetra eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. « Na lazaina aza fa tsy andoavam-bola ny any amin’ny fanjakana, misy hatrany ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny », hoy hatrany ny Unicef, ary tsy vitsy ny ankizy tsy mahavita ny taom-pianarana. Hita ny tsy fahafahana manohy fianarana any amin’ny kaominina ambanivohitra maro na eto Analamanga aza.
Tsy misy fotodrafitrasa
Raha ny fotodrafitrasa eo amin’ity sehatry ny fampianarana ity no asian-teny, tsy ampy izany, indrindra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Na seza ipetrahan’ny mpianatra aza tsy misy fa amin’ny tany no betsaka. Ny rano madio, ny toeram-pivoahana tsy misy. Ny solaitrabe hanoratana aza tsy misy amin’ny toerana sasany, ny trano fianarana tsy ampy, sns.
Firifiry ny ankizy voatery mijanona an-daharana? Ny ao an-trano aza tsy ampy… Voatery izay mbola te hanohy no mameno ireo rehetra ireo amin’ny asa tagnamaro. Matetika ny tranga tahaka izany, nefa tsy misy manara-dalàna ny asa vita.
Ho an’ireo mpampianatra indray, matetika kaominina tsy misy lalana na toeram-pitsaboana no iasan’izy ireo amin’izao taonjato izao. Io tsy fisian’ny lalana io no anisan’ny sakana goavana tsy mampisy mpampianatra any ambanivohitra. Soa fa teo ny mpampianatra Fram misolo ny asan’ireo tena mpampianatra. Tsy ny Fram rehetra akory no ratsy, saingy izy ireny toa araraotin’ny fanjakana fotsiny . Tsy misy fandraisana mpiasa vaovao any amin’ny fampianarana raha tsy an-taonany maro. Toy izany koa ny fahasalamana any, nefa sehatra roa goavana iankinan’ny fampandrosoana ireo.
Nanatontosa : R. Mathieu




