Nomarihan’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Gerp (1) fa mila tsara fiarovana ireo karazana gidro any anaty ala manerana ny Nosy. Tsy azo atao ny mihaza, misambotra na mamandrika azy ireny. Vao haingana ny mpiaro ny faritra arovana any Sava no nahavoasambotra olona roa tany Maintialana akaikin’i Vohémar. 46 ireo karazan-gidro no efa nisy nisambotra, ka iray ihany no velona. Tao amin’ny faritra Loky Manambato ireo gidro ireo, ary kasaina hamidy 20 000 Ar any Sambava.
Vidiny mirefarefa no
ataon’ny mpangalatra. Araka ny lalàna anefa, ny fisamborana na famarotana ireo karazan-gidro ireo, dia handoavana onitra an-tapitrisany sy mampigadra 5 hatramin’ny 10 taona.
Voasokajy sao hiaran-doza, EN (2), noho izany ireo biby ireo, ary nampidirin’ny UICN (3) isan’ny sokajy mena ny anarany. Atao mampiavaka an’i Madagasikara ireo gidro ireo, nefa 105 amin’ ny 112 karazana na 95 % no atahorana ho lany tamingana ankehitriny.
38 no tena atahorana ho fongana
Karazana 38 no tena atahorana ho fongana, 44 tandindonin-doza, ary mampanahy ny 23. Ankoatra ny fisamborana ireo biby ireo, eo ny fanapotehana ny toby voajanahary fonenany amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny ala sy ny harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna.
Tsy mijanona hatreo akory ny raharaha fa mitohy amin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy ao amin’ny faritra Sava, ny hahafantarana ny tena marina amin’ny ny tsy fanarahan-dalàna. Mazava ny lalàna tokony hampiharina. Ny tsy fampiharana izany no manamaivana ny ezaka ataon’ireo mpiaro ny tontolo iainana eto Madagasikara hatramin’ny taona maro, araka ny fahitan’ny WWF azy.
Ndrina
Gerp (1) : Groupe d’étude et de recherche sur les primates
EN (2) : Danger d’extinction
UICN (3) : Union internationale pour la conservation de la nature