Varotra any ivelany: efa nisy politika momba ny fanondranana akondro

Efa nanondrana akondro tany Eoropa i Madagasikara tamin’ny 1961, tsy latsaky ny 20 000 t, nitohy nihabetsaka tamin’ny taona 1966, tafakatra 35 716 t. Nisy fotoana nam­pihena izany noho ny andro ratsy saingy tamin’ny Repo­blika voalohany ihany, niezaka nanarina ny fambolena akondro ny fanjakana, nametraka politika manokana nidirana amin’ny tsena eoropea­nina. Nisy sambo natao mpitatitra fotsiny, nandray ny vokatra teo Toamasina isaky ny telo herinandro.

Nanana ny toerany manokana ny akondro avy eto Ma­dagasikara teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na henjana aza ny fifaninanana tamin’ ireo avy any amin’ny firenen-kafa, nanamafy ny minisiteran’ny Fambolena tamin’izany fotoana, fa tsy tokony hamaivanina ny famokarana akondro. Natao ny fanadihadiana rehetra ho fanatsarana sy fampitomboana ny vokatra. Nava­hana ny fikajiana azy ho an’ izany varotra ivelany izany.

Tombony lehibe, saika ahitana voly akondro ny faritra maro eto amin’ny Nosy afa-tsy ny any Atsimo. Mari­hina anefa fa any atsinanana ihany no ahitana ireo karazana akondro fanondrana, sady manamora ny fitaterana azy eny amin’ny seranan-tsam­bon’i Toamasina. Tena mpamokatra ny any Vavatenina, Iazafo, Onibe, Ivoloina, Ivon­dro, Ambinanony, Brickaville, Anivorano. Tsy nahitana karazan’aretina any amin’ireo tanàna ireo, izay nisy fototra akondro an-tapitrisany. Voan­kazo « malemy » mila tsara fiarovana. Amin’izao fotoana, tsy fantatra mazava firy sisa ny aondran’i Madagasikara raha misy ?

Ndrina

Partager sur: