Lalao ara-pirahalahiana : Lavon’ny Barea 2 no ho 0 i Guinée Equatoriale

Nahita fahombiazana ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tany Turquie. Nandresy an-dry zareo Nzalang Nationale Guinée Equatoriale ny Barea. Andrasana ny filaharan’ny Fifa.

Tsara ny vokatra ho an’ny Barean’i Madagasikara. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Nzalang Na­tionale an’i Guinée Equato­riale, omaly, tany Turquie. Fi­fanandrinana tafiditra anaty lalao ara-pirahalahiana, izay karakarain’ny Fifa, “Fenêtre Fifa”. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ankilany.
Maro ireo baolina tokony ho tafiditry ny gineanina saingy azon’i Dupire sy nidona ta­min’ny tsivalamby. Teo amin’ny faha-30 minitra, fizaram-potoana voalohany, nanokatra ny isa ho an’ny Malagasy i Johan N’Zi, rehefa nanao tifi-davitra ka tsy azon’ilay mpiandry haraton-dry zareo Nzalang Nationale. Telo minitra taori­an’io, nampian’i Eshan Kari, vodilaharana malagasy indray izany, rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i Hakim Abdal­lah, lohalaharan’ny Barea. Tsy niova tamin’io isa 2 no ho 0 io ny fifanandrinan’ny roa tonta.

Mbola tsy afa-bela
Tsy mbola afa-bela teo anatrehan’ny Barea indray ny Nzalang Nationale. Raha tao anatin’ny fifanandrinana dimy izay vitan’ny roa tonta, nandresy inefatra ny ekipa malagasy raha indray mandeha ihany ry zareo no nandavo ny Barea. Raha tsiahivina, mety tsy dia hampiova ny laharan’ny Barea any amin’ny Fifa ity fandresena ity, satria fihaonana tokana ihany no natao raha saika roa avokoa ny an’ireo firenena hafa. Ho fantatra ra­hampitso ny filaharan’i Mada­gasikara vaovao.

Fitia Randria

Partager sur: