Nivory tao amin’ny minisiteran’ny indostia, ny varotra, ny fanjifana(Micc), omaly 2 febroary, ireo tompon’andraikitra samihafa avy amin’ ny minisitera. Nitarika izany ny tale jeneraly momba ny indostria, Ramindo Gaetan, sy avy ao amin’ny GEFP (1) sy EDBM (2). Nampahafantarina ireo dingana tsy maintsy arahina raha hanangana orinasa fanaovan-damba. Anisan’ny dingana tsy maintsy arahina ny fanodinana akora fototra avy eto an-toerana. Niompanan’ny adihevitra ny fanadihadiana nataon’ny « cabinet International Finance Corporate », tarihin-dRtoa Ayo Marcelle.
Raisina ohatra ny tany Ouzbékistan nanondrana akora fototra hatramin’ny 90 % tany am-boalohany. Amin’izao fotoana izao, 100 % ny ahodiny any an-toerana izay vao aondrana. Nampitombo ny vola miditra izany, nahafantarana ny fiavian’ny vokatra sy nanome antoka ireo mpividy sy mpampiasa vola.
« Laharam-pahamehana amin’ny sehatra indostrialy ny fanaovan-damba, ary rariny raha misy paikady fohy ezaka sy lavitr’ezaka ho fampandrosoana io sehatra io hananan’i Madagasikara ny toerany », hoy Rasoamanana Christian, avy ao amin’ny minisitera.
Hahatongavana amin’izany ny fanodinana eto an-toerana, fanomezan-danja ny vokatra vita, famokarana miaro ny tontolo iainana ary ny fiaraha-miasa mitohy eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Manana lalam-barotra goavana amin’ny Agoa rahateo ny GEFP.
Hamoraina ny fananganana indostria eto Madagasikara, jerena ihany koa ny fandraharahana ataon’ireo efa mitsangana. « Aorian’izao dinika izao, ny fampahafantarana ny atao rehetra amin’ ny sampandraharaham-panjakana samihafa. Tanjona ny hananana fomba fijery mitovy ho fampandrosoana ny indostria fanaovan-damba eto Madagasikara », hoy Ramindo Gaetan.
Ndrina
GEFP (1) : Groupement des entreprises franches et partenaires
EDBM (2) : Economic development board of Madagascar