Nihena ny voka-bary ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro tamin’ity taona ity, raha toa ka noheverina ho sompitr’i Madagasikara hatramin’izay. Tombanana ho 489 998 taonina (t) ny vokatra azo amina velarana 169 487 ha, izany hoe 2,9 t/ha, raha toa ka 607 001 t isaky ny velaran-tany 188 633 ha izany, ny taona 2024 (3,2t/ ha). “Tafidina hatrany amin’ny 19,4%, araka izany, ny fihenan’ny vokatra eto Madagasikara. Ambany lavitra ny voka-bary 5,25 tapitrisa t azo tamin’ ny taona 2024 ny vokatra nandritra ny taona 2025”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Anisan’ny nahatonga izany ny fihenan’ny rotsakorana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tara ihany koa ny fotoam-pahavaratra ka nampihemotra hatrany amin’ny volana janoary ny famindram-bary tokony ho natao ny volana novambra. Voatery taty amin’ny volana febroary vao nijinja vary ny tantsaha.
Ankoatra an’Alaotra Mangoro, lasibatry ny zava-misy ihany koa ny faritra Marovoay, Sofia, Melaky, Menabe ary Sava, noho ny faharatsian’ny fotodrafitrasa mpamatsy rano.
Araka izany, na teo aza ireo karazana tetikasa natao toa ny fizarana masomboly sy zezika, fanarenana fotodrafitrasa samihafa ary fampidirana ireo karazam-bary dia mbola ambany ny vokatra azo.
Manoloana ny zava-misy, tafakatra 325% ny vary nafaran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana, izany hoe, manodidina 607 000 t raha toa ka 142 000 t teo aloha. Nilaza ihany koa ny FAO fa mety hahatratra hatrany amin’ny 800 000 t ny fanafaram-bary ataontsika mandritra ny taona 2026. Ankilany, manomboka miakatra ihany koa ny vidim-bary eny an-tsena. Ankehitriny, maherin’ny 3 000 Ar avokoa ny vidin’ny vokatra avy eto an-toerana. Lasa 3 600Ar ny kilaon’ny vary makalioka, 3 400 Ar ny vary gasy.
Henintsoa




