Notontosaina ny alahady lasa teo ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsara fanombohana na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’izany. Ny Disciples FC nandavo ny Mama FC, tamin’ny isa 1 no ho 0, tao amin’ny Kianjan’ny Mama Imerintsiatosika. Lavon’ny CFFA tamin’ny isa 1 no ho 0, ihany koa, ny Uscafoot, tetsy Iavoloha.
Samy manana isa telo, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo izany ny ekipa avy eny Andoharanofotsy sy ny avy any Vakinankaratra. Voatazon’ny AS Ste Anne sahala, 1 no ho 1, ny Elgeco Plus, tompondaka farany tamin’ity fifaninanam-pirenena ity.
Manana isa iray izany ny Elgeco sy ny AS Ste Anne, anatin’ny vondrona Atsimo. Andrasana amin’ny faran’ny herinandro ho avy io ny lalaon’ ireo klioba mifanandrina amin’ ny Kaonferansy Avaratra.
Tsy tazana i Dax
Ankoatra izay, nanaitra ny sain’ny maro ny tsy nahitana an’i Dax, kapitenin’ny Barea Chan, tao amin’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy teny ambony kianja. Tsiahivina fa ity mpilalao ity dia nifindra tao amin’ity ekipa ity, taorian’ireny fahombiazana tamin’ny Chan 2024 teo ireny.
F.R




