Harembako-pirenena mampiavaka an’i Toamasina ny Mozea Vavitiana. Notokanana ihany koa ny kianja, izay manamafy ny maha vavolombelon’ny tantaram-pirenena ity toerana ity.
Raha misy ny toerana iray mahasarika mpizahatany ao Toamasina dia ao amin’ny Mozea Vavitiana Ampasimazava. Iray amin’ireo harembako-pirenena ity toerana ity, mirakitra ny ampahan’ny tantaran’i Madagasikara. Trano anisan’ny tranainy indrindra ao Toamasina, izay nantsoina hoe Maison Nathan teo aloha. Efa nisy ny ezaka fanarenana ny tranombakoka Vavitiana, izay notokanana ny taona 2020. Notohizana ny asa, ka notokanana ny 24 desambra teo indray ny Kianja Vavitiana.
Toerana nifaneraseran’ny mpiavy avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao an-jato taonany lasa ity lasa Kianja Vavitiana ity. Nanamarika ny fifandraisan’ny Malagasy sy ireo teratany indianina, anisan’ireo mpiavy nanao raharaham-barotra voalohany tany amorontsiraka izany. Vavolombelon’ny tantara ny fisian’ny karazan-kazo « Ficus reliziosa » na ny « vanians », izay novolen’ireo mpiavy tamin’ny fahatongavany teto, 120 taona lasa izao.
Ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera no miahy ny mozea sy ny Kianja Vavitiana. Fanamby ny hampiaina sy hampiseho ireo toerana miavaka sy manantantara toa ity ao Toamasina ity. Anisan’ireo harembako-pirenena mampiavaka ny faritra Atsinanana mantsy izany, manampy ny Manda Fort ao Foulpointe, ny alan’Atsinanana, ny sisa mandan’i Fafarafy, ny Dobo masina ao Saivaza ary Antetezantany.
Nohavaozina ho sehatra ho an’ny kolontsaina sy fanatanjahantena ny Kianja Vavitiana. Mazava loatra fa hikoloana ny tanora, sady hampitana ny tantara amin’ireo taranaka, amin’ny maha tranombakoka azy. Nanambara ny minisitra misahana ny Kolontsana fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny minisitera satria mbola maro ireo asa miandry ho fampiroboroboana ny sehatra toy ity toerana azon’ny daholobe tsidihina ity. Niarahaba manokana ireo mpanakanto mbola mamelo-maso ny vakodrazana betsimisaraka izy, toa an-dry Tombo Daniel, Roger Mena, Tsimialona Volambita Donakafo, Marceline, sns.
Tsiahivina fa olo-nalaza tao Ampasimazava Toamasina, i Vavitiana, na Timasy Vavitiana, tany amin’ny taonjato faha-17. Nitoetra ny anarany, izay mbola manamarika tantara hatramin’izao.
Zo ny Aina




