Pureplay Football League : Mitarika vonjimaika ny Disciples FC

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Foot­ball League (PFL)”. Mitarika vonjimaika ao amin’ny kaonferansy atsimo ny Disciples FC Vakinankaratra. Nahazo fandresena fanindroany, 2 no ho 1, nanoloana ny Antimo Re­cord, tany Toliara, izy ireo. Ma­nana isa enina izany ny eki­pan’i Vakinankaratra. Han­dray ny Uscafoot, ao amin’ny Ki­anja Velodrome Antsirabe indray ny Disciples FC, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay hifandona amin’ny Elgeco Plus, anio, eny By-pass. Ma­rihina fa tokony ho natao ny sabotsy lasa teo izy ity saingy tsy tontosa hatramin’ny farany noho ny rotsakorana. Anko­atra izay, misongadina koa ny ekipam-piangonana AS Ste Anne. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny CosPN­ Analamanga, ekipa vao niakatra divizionina voalohany tamin’ity taona ity. Na­hazo isa telo ho azy tamin’ity andro faharoa ity ihany koa ny Mama FC. Resin’izy ireo, ta­min’ny isa 1 no ho 0 ny CFFA Andoharanofotsy. Ha­tra­min’­ ny ora nanoratanay omaly, tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra noraisina mahakasika ny AS Fanala­manga. Ity fa­rany izay tsy handray anjara amin’ny PFL mandritra ity taom-pilalaovana ity.

Fitia Randria

Partager sur: