Fambolena : nihena 11,93% ny voka-bary tany Alaotra

Nisy ny fanadihadiana nivoaka ny taona 2022, nataon’ny fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo, « World food program » (WFP), ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo (FAO) ary ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), mikasika ny sehatry ny sakafo sy ny fambolena eto Madagasikara, indrindra ny voamaina. Nitombo ny vokatra ny taona 2021 tany amin’ny toerana sasany, fa nihena koa tany amin’ny hafa, toa an’Alaotra, sompitry ny vary.

Nitombo +3,9% ny voka-bary teto Ma­dagasikara ny taona 2021. Niakatra ho 4,4 tapitrisa taonina ny vary akotry vokatra raha 4,2 tapitrisa taonina ny taona 2020. Ho an’ny katsaka, nitombo +3,20% ny vokatra ny taona 2021, satria tafakatra 232.026 taonina raha 224.882 taonina ny taona 2020. Nihena kosa, manodidina ny –4% ny vokatra mangahazo, satria nidina ho 2,5 tapitrisa taonina ny taona 2021, raha 2,6 tapitrisa taonina ny taona 2020.
Voalazan’ny tatitra fa niezaka ny tantsaha, ka nahatonga ny voka-bary ho tsara tany amin’ireo faritra tena mamokatra. Na izany aza, miovaova ny vokatra arakaraka ny toerana. Nitombo +15% ny tahan’ny voka-bary tany amin’ny faritra Bongolava, Ihorombe, Atsinanana, Boeny, Melaky, Atsimo Andrefana, Anosy ary Diana. Manome ny 25%-n’ny vokatra anatiny ankapobeny eto Madagasikara ireo voatanisa ireo. Ambony indrindra tamin’izany ny any Atsimo Andrefana, nahatratra +75% ny fitombon’ny vary vokatra. Manodidina ny +6% kosa ny salanisan’ny fitombon’ny vokatra tany Vaki­na­nkaratra, Itasy.
Nihena kosa anefa ny voka-bary tany amin’ny faritra tena mamokatra, toa ny any Alaotra Mangoro, -11,93%, sompitr’i Mada­gasikara. Nidina -12,01% koa ny faritra Analamanga ary -17,5% ny tany Andapa, sompitr’i Sava.

Tondra-drano, antitra ny tohodrano, …
Isan’ny tena nampihena ny vokatra, ny tanimbary tondraky ny rano vokatry ny ora-mikija. Efa antitra koa ny tohodrano manondraka ny lemaka, satria tsy ampy ny fikojakojana ka tototry ny atsanga ny velaran-tany azo volena. Isan’izany ny any Alaotra Mangoro, tototry ny fasika ny 10%-n’ny tanimbary.
Eo koa ny biby mpanimba ny voly, toy ny andiam-balala. Tena manimba ny katsaka ny bibin-tsaonjo (chenille légionnaire), ny tain-dalitra entin’ny moka manapotika ny ravi-mangahazo, ny bibikely manimba ny tahom-bary ka lasa mamotsy ny akotry, sns.
Na nitombo aza ny voka-bary amin’ny ankapobeny, tsy naharaka ny filan’ny mponina izany satria mbola niakatra ihany koa ny vary nafarana avy any ivelany. Nahatratra 632.125 taonina ny vary nafarana ny taona 2021, araka ny antontanisan’ny Foibe fanarahamaso ny vary (ODR), ary manodidina ny 600.000 taonina ny volana janoary hatramin’ny oktobra 2022. Mbola niampy io vary nafarana avy any ivelany io, ny novambra sy ny desambra.

Tohanana mivantana ny tantsaha
Anisan’ny vahaolana naroson’ity fanadihadiana ity ny fanohanana mivantana ny tantsaha amin’ny famokarany. Toy ny famatsiana zezika sy masomboly, ny famonoana ny bibikely mpanimba ny voly. Anisan’ny laharam-pahamehana tokony hatao ny ady amin’ny andiam-balala any amin’ny tapany atsimo sy ny atsimo andrefan’ny Nosy.
Eo koa ny fanarenana haingana ny fotodrafitrasa ara-pambolena, toy ny tohodrano, ny lakandrano mitarika ny rano, ny fananganana sompitra iombonana isaky ny tanàna. Manampy ireo ny famokarana masomboly any amin’ny kaominina sy ny distrika, ny fanentanana ny tantsaha hivondrona anaty fikambanana, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: