Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo, amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League” (PFL), ny Disciples Fc Vakinankaratra. Nahazo isa telo indray izy ireo, tamin’ity andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena ity, rehefa nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, afakomaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha. Manana isa 15 izany ny ekipan’i Vakinankaratra. Baolina tafiditr’i Tsila sy i Tinoh ary i Fabrice no nahazoan’izy ireo ny fandresena. Marihina fa nahatafiditra baolina roa avy i Tinoh sy i Tsila.
Mametraka ny lanjany ny Elgeco Plus
Ankoatra izay, mbola mametraka ny anarany amin’ny maha tompondaka farany azy, ny Elgeco Plus. Nahavita “remontada” ry zareo, afakomaly, tao By-Pass. Rehefa nitarihan´ny CFFA Andoharanofotsy, 2 no ho 0, ny solontenan’ny ligin’Analamanga, dia nivadika 4 no ho 2 ny isa tamin’ny fiafaran’ny lalao. Nandresy ny Elgeco Plus ary lasa eo amin’ny laharana faharoa indray izany ny ekipan-dry Toldo, mpiandry haraton’ny Elgeco Plus. Nilatsaka eo amin’ny fahatelo kosa ny AS Ste Anne.
F.R
Voka-dalao rehetra :
Kaonferansy avaratra
FC Rouge (1)-(0) TGBC
Cosfa (5) – (3) Fosa Juniors
Ajesaia (3) – (0) TFFC
Kaonferansy atsimo
Uscafoot (1) – (1) Antimo Record.
AS Ste Anne (0) – (5) Disciples FC
Elgeco Plus (4) – (2) CFFA
Mama FC (1) – (0) CosPN




