Zavamaneno Malagasy: “Efa mitady ho very ny jejo voatavo”, hoy i Fafah

Ankavitsiana sisa ireo tena mahafehy azy… zavamaneno tena malagasy ary ny betsileo ihany no nilalao ny jejo voatavo. Anisan’ireo mpitendry niezaka nikaroka, namorona ary manasongadina ity zavamaneno ity i Fafah jejo voatavo. Resadresaka manokana:

Gazety Taratra (*): Ani­san’ireo mpanakanto miangaly ny jejo voatavo ianao. Mba azonao tantaraina amin’ny mpamaky ve ny mombamomba sy ny tantaran’ity zavamaneno ity?
Fafah (-): Zavamaneno nentim-paharazana betsileo, avy ao Fianarantsoa ny jejo voatavo. Fahiny, mizara ho faritra dimy dia i Manan­driana, Lalangina, Vohibato, Isandra ary Arindrano. Samy nanana ny fitendriny ny jejo daholo ny mpiangaly azy avy amin’ireo faritra ireo. Za­vamaneno nentina nampandrotsirotsiana ny mpanjaka izy ity, raha ny ara-tantara. Anisan’ireny, ohatra, ny mpanjaka Andriamanalim­benitany tao Mahazoarivo, faritra andrefan’i Fianaran­tsoa. Taty aoriana dia zavamaneno nampiasaina tamin’ny fety isan-karazany, toa ny fitokanan-trano, ohatra, ny jejo. Filalao amoron-patana na eny ankalamanjana ihany koa…
Ny jejo tsy mba tendrena fa kipanjinina (tsipindina). Mizara telo ny jejo: ny tahon-jejo, ny tendany mampitohy amin’ny voatavo. Voatavo monta fa tsy ilay fihinana izy ity. Ny tendany no mitondra ny feo amin’ny voatavo (caisse de resonance). Misy ny fanihagnana (toy ny “mé­canique” amin’ny gitara sy ny fandihagna (touches) ny tahony. Misy tady ahodina ny fampitambarana ny tahony sy ny voatavo, ahodina dia miha mihenjana. Tady hosoka ny fampiasa taloha: taretra hahosoka. Matetika mipody io fanihagnana azy io, ka maka ranom-pary fihazana dia tondrahana. Iny madity iny no haraikitra aminy, rehefa tena azo ilay feo ilaina.
Tamin’ny andron’ny fanjanahantany, tsy mba azo nentina nivoaka intsony ny jejo, noho izy entina toy ny basy. Noheverina fa fitaovam-piadiana ka norarana mihitsy. Tany dia efa nanomboka nihena ny mpilalao azy ity.
Ny mampalahelo amin’izao fotoana kosa, tena tsapako fa miha very ny jejo voatavo satria miha vitsy ireo mpilalao azy. Na ny any aminay any am-potony aza efa misy tsy mahafantatra azy intsony….

*Inona avy kosa ny karazan-gadona nampiasaina sy azo hampiasaina ny jejo voatavo?
– Ny “isan’ny Ntaolo” no gadona nampiasana ny jejo voatavo tany am-boalohany. Manakaikikaiky ny zafindraony izay izy io. Taty aoriana kosa ny horija, io hahafantarana ny betsileo hatramin’izao io. Miavaka ny tononkira, satria mitantara ny zavantra niainana tamin’izany andro izany. Ohatra hoe ilay hira “Tanalahy”, milaza ny fiainan’ny olona: mijery ny aloha sy ny afara. “Andriamalaza­vo­la”, miresaka momba ny lehilahy mpanankarena saingy maty noho ny fisotroan-toaka. “Raza­nam­paniry” miresaka mom­ba ny tovovavy avy amina fianakaviana sahirana, saingy nilofosan’ny ray aman-dreniny mba hianatra aty Antananarivo, kanjo rehefa tafita dia ninia tsy niraharaha ny nipoirany intsony…

*Nanao ahoana kosa ny nanombohanao nilalao ny jejo voatavo, sy ny ny lalana nodiavina hatramin’izao?
– Fony mbola mpianatra tany amin-dry Mompera aho, nisy tetikas atao hoe “Mitady ny very” tamin’izany, ka na­saina nitondra izay zavatra efa ela indrindra tao an-tranony ny mpianatra. Nisy namako izay nitondra jejo voatavo, ka nahaliana ahy. Nangatahi­ko taminy io, ka nitsiry teo ny fitiavako te hianatra azy. Re­hefa faran’ny taona sy taom-baovoa, misy ireny mpitendry zavamaneno ireny mitety trano, ka manao hira eo izy dia omena vola avy eo. Mpitendry jejo iray tamin’ireny no nantoniko mba hampianatra ahy. Nanaiky izy, ka tonga tany aminy aho rehefa tsy mianatra ny alakamisy. Misy fombafomba hatao anefa mialohan’ny hianarana azy, fa tsy mba sahala amin’ny gitara, ohara. Tsaroako, nandeha teo amin’ny zoro firarazana izy, nangata-tsodrano teo ary nandraraka divay. Nahazo tso-drano aho teo mba hianatra sy hitendry jejo…
Tao no naka ny fototra, ary maromaro ireo nianarako sy niaraka nitendry tamiko taty aoriana. Ry Ra-Louis “Tana­lahy”, nahafantarana voalohany io hira io. Raboto avy any Soarano, nahafantarana ny “Sabotsy mifankahita”, Ry Rajoma, Dadazanaka, Razafi­lahy, Radahy, Ratalata, Rako­to Alphonse, Rabalida, sns. Ry razafilahy sy Rakoto Alphon­se efa nantsoina niakatra taty Antananarivo, nandrafitra ny orikesitry ny fanjakana, tamin’ny andron’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny fanakolokolona ny zavakanto revolisionera, Rabesahala Gisèle. Nisy fotoana tao amin’ny tarika Akon’ny Ravinala aho, niaraka tamin’i Dadazanaka sy Ratalata, ka nifampitana tamin’izy ireo tao amn’ny Tra­nom­pokonolona Tsianolon­droa, ka izay no nahazoako ny mari-pitozoana tamin’izany. Rabalisa kosa no tena niavaka indrindra, satria nahavita jejo misy tadiny 12 izy…

*Ny jejo ampiasainao izao, toa efa tadin-gitara. Nisy fikarohana manokana izany nataon’i Fafah?
– Tany amin’ny taona 1980 tany aho no efa nanomboka namoron-kira, sy namorona ihany koa ny jejo tendreko. Niaraka tamin’i Vévé “Mana­nandro” aho tamin’izany, ka izy nitendry lokanga. Taty aoriana, namorona jejo aho sady niezaka nikaroka izay hifehezana gadona hafa ankoatra ny horija ihany koa. Hitanareo any anatin’ny kaonty “facebook” any, ohatra, ny nanaovako ny “Malaika” an’i Myriam Makeba tamin’ny jejo.
Anisan’ireo nantsoin’i Justin Vali nandrafitra ny Ny Malagasy Orchestra aho, nilalao ny jejo izay karoka nataoko voalohany. Faharoa izao ity ary efa misy fahatelo aza, hataoko tadiny 9. Mbola voatana tsara ny fototra maha jejo azy, satria ny “accord” eo ihany.
Ny mampalahelo ahy fotsiny, ny anao mbola tsy nivoaka sy tsy nipetraka tsara akory, efa misy mandika sahady. Misy mpanakanto efa naka tahaka sahady, kanefa tsy hain-dry zareo akory ny milalao azy fa fitia te hideradera fotsiny hoe milalao jejo izy…

* Manahoana tokoa ny tanora mpandimby amin’ny fiangaliana ity zavamaneno ity?
– Araka ny efa nambarako teo aloha, efa mitady ho very izy ity. Mihavitsy ireo milalao azy. Misy amin’ireo zanaka mpitendry notanisaiko teo mbola manohy ihany, saingy tsy maro intsony. Izaho tokony hampita satria ny tena efa mahazoazo taona ihany, saingy mbola mila mitady olona tena mahay mozika aho mifarimbona amin’izay. Izaho mantsy sofina sy maso no nianarako azy, fa izaho tsy mahafehy solfezy….

Dinika nangonin’i Zo ny Aina

Rakotoson Andrianomana Marie Francis no tena anaran’i Fafah Jejo Voatavo. Nosafidiany hanampy ny anarana entiny amin’ny maha mpanakanto mihitsy ny anaran’ilay zavamaneno mba tsy ho very an-javony. Raoul tao amin’ny tarika Mahaleo no anisan’ny tena nandrisika azy hiroso amin’ny maha matihanina sy nanoro ny lalana rehetra. Ankoatran’ ireo hira horija taloha, namoron-kira maro i Fafah, ka misy amin’ireny nataony amin’ny fiteny malagasy ofisialy, nanehoany fa afaka hanaovana gadona hafa koa ny jejo. Tsy mbola manana rakikira izy, saingy efa nahavita fandraisam-peo, izay nomena ireo mpanakanto mihodina any ivelany mba hampahafantarina.

Partager sur: