Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahafito hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny XXL Top 12. Voahaja ny lojika raha ny vokatra. Anisan’izany, lavon’ny Cosfa (Bebaoty), tamin’ny isa (39) no ho (23) ny Tam Anosibe. Nanantombo teo amin’ny tanjaka ny miaramila, izay nanafangaro ny lalaony, tamin’ny alalan’ny “avant” sy ny “trois quart aile”. Ny Anosibe kosa toy ny mahazatra azy, nampiasa ny “pack d’avant”. Nifandanja ny fihaonana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’ izany, nisaraka ady sahala 10 no ho 10 tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin’ny 40 mn manaraka, naneho ny traikefany ireo mpilalaon’ny Bebaoty. Nanafaingana ny lalao sy ny tosika be ary nahitany vokatra izany ka mbola nisy ny baolina voatsindry. Tsy nitazam-potsiny kosa ny Tam fa nanafika hatrany saingy be loatra ny baolina very sy ny fahadisoana, izay nanome tombony ho an’ny Cosfa. Mbola mitarika aloha hatreto ny Cosfa izay tsy mbola resy mihitsy.
Tompondaka




