Toamasina: Tokantrano 1200 nampian’ny Airtel

Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana na­nehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana ni­asa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny loza voajanahary. Miisa 500 ny tokantrano nisitraka ny fanampiana ta­min’ny alalan’ny BNGRC, ary 600 fanampiny, nahazo tohana niarahana tamin’ny kaominina an-drenivohitra Toamasi­na ary ny fokontany Ambolo­ma­dinika, parsely 13 21. Miisa 100 ny fitambarana kojakoja (kits) vonjitaitra tany Farafaty (Bassin-drano), toerana misy ny foibem-paritra Airtel any Toamasina. Raha atambatra, miisa 1 200 ny tokantrano nisitraka fanampiana mivantana avy amin’ity orinasa ity.
Nambaran’ny DG, Anne Catherine Tchokonté, fa «misy ny paikady manokana napetraka nanatanterahana ny fanampiana vonjitaitra. Mi­ainga any amin’ny fitsinjovana ny maha olona miafara any amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba. Hajaina ny hasin’ny maha olombelona, ny mangarahara amin’ny fa­na­tan­terahana ny fanampiana ary ny hiantraikany mivantana any amin’ny mpisitraka».
Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka any an-toerana. Nisaoran’ny tale je­neraly manokana ny finiavana sy ny ezaka nataon’ny orinasa Network, satria efa niverina amin’ny laoniny sy miasa ny 96% ny fotodrafitrasa simba.

Njaka A.

Partager sur: