Fanatsarana ny fampianarana nomerika : mpianatra 14 000 hahazo “connexion” maimaimpoana hakana lesona sy fizarana

Mila hafainganina ny fanaparitahana ny fampianarana nomerika eto Madagasikara. Tanjona ny fampandrosoana ny fanabeazana, araka ny nisongadina nandritra ny fivoriana momba ny fanatsa­rana ny fanabeazana tany New York, ny taona 2022.

Hampitovina lenta ny mpianatra malagasy, hiara-hiasa mandritra ny dimy taona ny mi­nisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny orinasa Air­tel ary ny Unicef. Hame­traka « ressources éducatives libres » ny telo tonta ahazoan’ny mpianatra misitraka lesona, fizarana, fanazavana amin’ny fitaovana nome­rika. Ho maimaimpoana
ny fahazoana ny antontan-kevitra rehetra raha mampiasa ny laharana airtel ilay mpianatra. Afaka mitsidika ny « plateforme » misy ny lesona ireo manana « conne­xion ».
Efa azo kirakiraina raha­teo ity « ressources éducatives libres » ity ao amin’ ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mifidy kilasy, misy natokana ho an’ny ambaratonga samihafa ny loharanom-pahalalana novolavolaina izay tafiditra amin’ ny fandaharam-pianarana eto amintsika. Faritra telo no hisantarana ny teti­kasa : Anosy, Atsimo Andre­fana ary Boeny. « Voasokajy ho marefo kokoa ny fari-pa­hai­zan’ny mpianatra amin’ ireo toerana ireo », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisite­ran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théo­phil, omaly teny Mahamasina.
Nandritra ny fotoan’ny fi­hibohana tamin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara, efa nitady fitaovana ahafahana manohy ny fizarana fahalalana ny mi­nisitera ka teraka ny fametrahana ny « plateforme ». CEG 15 amin’ny faritra telo iasana no hanaovana an­drana ka hisitraka connexion maimaimpoana ny mpianatra 14 000 izay hikirakira fi­taovana nomerika. Hanampy ny fahalalana any an-dakilasy izany. Mitentina 57 000 000 dolara ny sora-bola natokana hanatanterahana ny tetikasa aty amin’ny firenena 13 aty Afrika miaraka amin’ny Airtel Afrika. « Manohana hatrany ny fanabeazana ny Unicef izay manetsiketsika ny mpiray ombon’antoka toy ny Airtel amin’ity tetikasa iray ity, hoy ny solontenany eto amintsika », Jean Fran­çois Basse. Natao sonia, omaly, teny Mahamasina ny fifanarahana momba ny fiaraha-miasan’ny telo tonta.

Araka ny fanadiha­diana MICS 2018, zaza iray amin’ny roa ihany no mahavita ny ambaratonga fototra eto Madagasikara. Tanora 27 amin’ny 100 no tody amin’ny ambaratonga faharoa ary 13 amin’ny 100 no mahavita hatramin’ ny kilasy famaranana. Mbola nanampy trotraka ny zava-misy ny fisian’ny valanaretina Covid-19 nampiatoana ny fampianarana.

Vonjy A.

Partager sur: