Nanomboka tamin’ny 1967 ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka vahiny tany avaratra andrefan’ny Nosy. Aiza ho aiza ny valiny, 50 taona aty aoriana, nitondra vokatsoa ho an’i Madagasikara sa tsia ?
Am-polo taona maro, tsy nitsahatra nivoatra ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, mbola niampy fiompiana tany Mahajamba sy amin’izao fotoana any Besalampy. Voalaza fa nampandroso ny toekarena malagasy io fihariana io. 11 355 t ny vokatra makamba naondrana tamin’ny fiandohan’ny taona 2000, na 43,78 % tamin’ny vokatra naondrana rehetra avy eto Madagasikara. Niampy vokatra hafa, trondro, drakaka, langoustes. Tombanana 1 312 379 miliara Ar ny vidin’ireo rehetra ireo, firy isan-jato ny anjaran’ny fanjakana malagasy tamin’izany fotoana ? Amin’ izao fotoana mihena ny vokatra an- dranomasina mivantana, ankoatra ny fiompiana toy ny any Besalampy. Mihena ihany koa ny karazan-trondro hatramin’ny kalitaony. Tsy ahazoana antontanisa mazava fa ny fiarovana ny fari-dranomasina miaraka amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina ( COI) no heno matetika.
Noho izay toerana nisy ny fanjonoana makamba izay, adihevitra maro nianga avy aminy teo amin’ny fanjakana tompon’ny harena sy ireo vahiny mpanjono vaventy. Voaresaka tamin’izany ny faritra fanjonoana indostrialy, ny fitaovana, ny vokatra rehefa nampahafantarina tamin’ny 1998. Mbola nisy fanampim-baovao hafa nampahafantatra ny antsipiriany, indrindra ireo vokatra azo isaky ny faritra. Valiny, nitontongana haingana ny jono nentim-paharazana.
Karazana jono
Samy hafa ny sehon’ireo karazana jono ireo sy ny fivoarany. Ny jono tranainy, nampiasana lakana voizina tanana fotsiny. Ny jono tsotra nampiasana milina latsaky ny 50 CV. Ny jono indostrialy, misy milina maherin’ny 50 CV, ho an’ny jono makamba noferana ho 500 CV. Nahazo alalana ny fampiasana sambo mpanjono mihoatra ny 50 CV. Raha mbola arahina ny lalàna, faritra tokana ihany no azon’io trandrahina.
Raha fahazoan-dalana latsaky ny 50 CV indray, tsy voafetra ny faritra azony idirana. Ny tany Nosy Be no tena nahitan’ireo mpikaroka tao amin’ny Orstom* toerana azo trandrahina betsaka ny makamba, porofon’izany ny fisian’ireo sambo mpanjono indostrialy vahiny maro.
Mbola teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fiompiana ny jono. Betsaka ny fifanarahana natao tamin’ireo vahiny, Japoney, Amerikanina, Frantsay. Ny fanjakana ihany no manome fahazoan-dalana, ary tany amin’ny faritra Avaratra andrefana sy Andrefana no tena notrandrahina.
Ndrina
Orstom* : Office
de recherche scientifique
et technique d’outre-mer