Simba ny tontolo iainana: midadasika ny ala may noho ny volena

Ny ala may no betsaka noho ny novolena. Namba­ran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra fa 73 000 ha ny voavoly tamin’ny 2021, nefa 90 000 ha ny ala may nanomboka janoary hatramin’ny aogositra. Fanaovana saribao no antony voalohany, fa eo koa ny hasomparana fotsiny amin’izao.
Tsiahivina ihany fa loza ho an’ny fahasalaman’ny olombolena sy ny tany mihitsy ny fanimbana ala. Ankoatra ny fiovaovan’ny toetr’andro, ma­napotika ny zavaboahary sy mampiakatra ny hafanana haingana ny fahasimban’ny ala.
« Tsy maintsy ampitomboina ny ezaka ataontsika ho fiarovana ny ala sisa tavela, manarina ireo izay simba, mamboly ho solon’izay nodorana, ary manome antoka fa izay novolena maniry lasa ala. Raha izay ny finiavana miaro ny natiora, tsy maintsy handraisana fepetra hiarovana izany, miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy angovo, ary manadio ny rivotra », hoy Randriam­bola Voahira­na, ao amin’ny WWF.
Mitohy ny asa ho famerenana « maitso an’i Mada­gasikara » amin’ity taona ity. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Ilaka Est izany tamin’ny 19 ja­noary 2023.
Ny faritra rehetra eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana samy manomana izay mifanandrify aminy daholo. Efa nisy zanakazo napetraka tany an-toerana ny oktobra sy novambra, ary efa azo atomboka ny fambolena.
Tsy tratra ny tanjona raha tsy mandray anjara ny firenena manontolo. Ny mamboly hazo tsy vitan’ny manatsatoka zanakazo fotsiny, fa tsy maintsy arahina sy jerena ny fepetra mampaniry azy tsara (Taratra, 13 febroary 2023). Tsy ho fihetsiketsehana fotsiny ny 2023 fa ho taona mahomby, hamerenana ireo izay nodorana.

Ndrina

Partager sur: