Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fizahantany eto Toamasina, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana Covid-19 nandritra ny roa taona ireny. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny alatsinainy13 febroary teo ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nitondra mpizahatany vahiny miisa 1.608. Ahitana teratany frantsay, alemà, espanola, anglisy ary italiana, ireto farany izay maro an’isa indrindra. Miisa 878 ny mpiasa ao anaty sambo.
Mizara efatra ny fitsidihana hataon’ireo mpizahatany. Misy ny mandeha fiara sy an-tongotra ho any Tapakala. Misy ny handray lakana mandeha motera hanaraka ny Lakandranon’i Pangalana ary mifarana any Tapakala ihany koa. Ao koa ireo ho any Ivoloina hitsidika ny valan-javaboahary, na hitsidika ny tanàna « Village Satrana Garden ». Hitety ny tampon-tananan’i Toamasina amin’ny « bajaj » na posy na mandeha an-tongotra kosa ny ambiny. Isan’ny hotetezin’izy ireo ny mpivarotra taozavatra sy asa tanana eny amin’ny Bazaribe.
Tsy tafapetraka ny tranoheva
Nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny mpivarotra mikasika ny fanomanana izay fitsidihana ny Bazaribe izay, ny alahady 12 febroary teo. Nikasa hametraka tranoheva miisa 120 teo amin’ny tokontanin’ny Bazaribe ny tompon’ andraikitry ny fitantanam-paritry ny asa tanana Toamasina, nomen’ny kaominina sy ny prefektiora alalana. Tsy nanaiky ireo mpivarotra mahazatra efa manana tsena eo an-toerana, ka nosakanan’izy ireo izany, satria raisin’izy ireo ho toy ny manakona ny tsenany.
Tsiahivina fa efa nisy sambo vaventy iray, nitondra mpizahatany japoney, tonga taty amin’ny faritra Atsinanana, ny 10 janoary 2023 teo. Raha tsy misy ny fiovana, mety hisy sambo vaventy toy izao miisa 27 handalo aty Toamasina amin’ity taona ity.
Sajo sy Njaka A.