Mpihady volamena miisa 11 niara-namoy ny ainy nianjeran’ny ranontany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Niherenana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nihady lavaka ary tonga teny an-kianja vao maraina be, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, ireo olona ireo, raha ny fanazavana voaray. Nihotsaka tampoka anefa ny rindrin-tany ka nanototra azy rehetra. Nahatsikaritra ny zava-nitranga ny fokonolona ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo taorian’ny antso. Nanao ny fikarohana sy ny fanavotana ireo mpitrandraka niharan-doza ny fokonolona tamin’ny 5 ora maraina, ora iray taorian’ny tranga. Naharitra ela ny fikarohana ireo tradoza, satria tamin’ny 1 ora tolakandro vao hita avokoa ny razana rehetra. Tsy nisy avotra intsony izy ireo fa namoy ny ainy tototry ny tany avokoa.
Mponina manodidina ny toerana nitrangan’ny loza avokoa ny ankamaroan’ireo olona namoy ny ainy ireo. Avy any Ilaka Est, Vavantenina ary Tanambao manampotsy ny toerana misy azy ireo. 21 taona ny zandriny indrindra ary 49 taona kosa no lehibe indrindra tamin’izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Marihina fa toerana tsy azo hanaovana asa fitrandrahana ao amin’io tanàna nisehoan’ny loza io, raha ny fanazavana voaray. Namoaka io vaovao io tamin’ny tambajotra an-tserasera ny depiote voafidy tany Vatomandry; Sophie ratsiraka omaly.
Mino




