Tsy mety tafarina i Madagasikara: novetavetain’ny vahiny ny fanabeazana sy ny kolontsaina malagasy

Amin’ny lafiny rehetra, manan-karena be, hono, i Madagasikara ! Ny mahavariana, tafiditra ao anatin’ny laharan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany anefa izy. Misy rindra mifanohitra ao ambadik’ireo fa tsy tongatonga ho azy. Mpilalao fototra ao anatin’izany ny vahiny sy ny forongony. Fitaovana nampiasan’izy ireo kosa ny Malagasy sasany sy ny fanabeazana ary ny kolontsaina ao aminy.

Hoy ny Pr. Rakoto Ra­tsimamanga Albert raha niresaka sy nitafa tamin’ireo mpikambana vitsivitsy tao amin’ny Za­nabaliha, na ilay fikambanana nolalainy fatratra noho ny fanandratana sy fanomezan-kasina ny kolontsaina mala­gasy : «tsy ho azon’ireo vahiny ireo natao na inona na inona ny Malagasy sy i Madagasikara raha tsy vitany ny namotika ny fanabeazana sy ny kolontsainy… » ! Nataon’ny mpanjanaka sy ny forongony izay hanovana ifotony ny fanabeazana (t)eto Madagasikara. Tahaka izany koa ny kolontsaina sy ireo mifandraika aminy.
Ho an’ny Malagasy, amin’ny ankapobeny, ireo ray aman-dreny niteraka, ny raiamandreny isan-tsokajiny avy no miantsoroka ny fahamendrehan’ny fanabeazana omena ny taranaka. Tamin’ ny alalan’ireo fahalalana navelan’ny teo aloha (angano, tantara, fomba, fady, kilalao isan-karazany …) no nentin’izy ireo nanatanteraka izany. Nanana taranaka vanona sy tsara taiza ary manam-panahy handalana i Madagasi­kara.
Fa naninona rehefa tafiditra teto nanampy ny fanabeazana efa nananan’ny Mala­gasy ny fampianarana anaty rindrina efatra no nitambotsotra sy nivarina an-kady sahala amin’izao ny Malagasy sy i Madagasikara ? Tsy tokony vao mainka ary ve handroso ity firenena ity ? Misy zavatra tsy sahaza an’ity Nosy ity ao ambadika ao !

Potehina ny an’ny Malagasy mba ahazoan’ny vahiny manatsofoka ny azy

Novetavetain’ny vahiny sy ny forongony ny fanabeazana sy ny kolontsaina malagasy. Ireo fady manaraka ny lamina voajanahary nolazainy fa finoanoam-poana. Ny fifanajana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, nopotehiny tamin’ny fananana diplaoma. Izay manana ny ambony no nanjary tompon’ny fahendrena sy ny fahalalana. Ny fivavahan-drazana noendrikendrehana ho asan’ny devoly. Ny angano lazaina fa tranga tsy nisy fa aza tantaraina akory sao hahitan-doza. Ny fanorona nosokajiana ho la­laon’ny antitra, sns.
Satria tsy an’ny Malagasy ny fampianarana anaty rindrina efatra, nanao izay danin’ny kibony ny vahiny sy ireo forongony. Fandaharam-pianarana nataony hifandraika amin’ny filany. Nomena ny fahaizana antsiririnjinga ny Malagasy mba ahafahany ma­nampy ny vazaha. Am­bilom­bazana ny fahalalana momba an’i Madagasikara sy ny Ma­lagasy nampitaina tany am­pia­narana sao hamoha ilay fitiavan-tanindrazana ao aminy…
Lasa lova ratsy ho an’ny Malagasy ny tranga tahaka ireo hany ka tsy tafarina mihitsy i Madagasikara. Zary mitady ho zatra mitazona ny rambony, ohatra, ny Malagasy satria miandrandra vazaha hatrany eo amin’ny zavatra na asa ataony. Zaran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona aza manampy mba hanehoana fa tiany ilay firenena matoa ampiany. Hatsaram-panahy ! Faharoa, mba hanana ilay toe-tsaina hampiana sy miankin-doha lava ilay firenena ambaran-dry zareo fa «marefo sy mahantra» !

Tsy ho tafarina i Mada­gasi­kara raha mbola takona ka tsy mahita sy mahatakatra ireto ny Malagasy : «manan-karena be i Madagasikara kanefa ny Malagasy tompony mahantra fadiranovana»… «Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha» !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: