Nampidirin’ny Eoropeanina teto Antananarivo voalohany ny sary hosodoko tamin’ny taona 1826, tao anatin’ny vanim-potoana fanjanahantany, nataon’i Pauline Monginot. Niaraka tamin’ny tantaran’ny fanjanahantany ny hosodoko, ary nihanaka haingana tao anatin’ny fiarahamonina merina. Avy tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ireo tahiry tamin’izany fotoana no nahafantarana fa mirakitra tantara isan-karazany ireny sary ireny, ary notohanan’i Yavarhoussen izany. Ny tontolon’ny hosodoko teto Antananarivo, ohatra, no nampahafantatra ireo mpanao sary, ny tantarany, sy ny asany.
I Pauline Monginot, mpahay kolontsaina sy ny momba an’i Madagasikara manokana, mpikaroka tao amin’ny Ivontoeram-pirenena momba ny tantara, nampahalala ny fanofanana sy ireo fepetra tamin’ izany asa izany. Nampahafantatra ihany koa ny anjaran’ ny vehivavy manokana teo amin’ny tantara.
Tsy maintsy manaraka ny fepetra takina na ireo mpanao hosodoko vazaha na Malagasy. Fepetra mifanaraka amin’ ny lafiny politika sy kolontsaina vahiny, sy ny fahazarana anatin’ny fiarahamonina merina.
Samy hita taratra tamin’ny mpanakanto tandrefana sy malagasy avokoa izany tamin’ ny taonjato faha-XX. Avy amin’ny fanadihadiana natao tany Frantsa sy teto Madagasikara ireo sary hosodoko nandravona ny tantaran’Antananarivo.
Ndrina