Nanokana iray volana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka iadiana amin’ny aretina androbe nanomboka ny 13 febroary lasa teo. Mitondra fanazavana momba ny aretina androbe sy ny fomba fisehony ary ny fitsaboana ny dokotera neurologue interniste iray, neurologue miasa ao amin’ny sampam-pitsaboana neurologie ao amin’ny CHU JRB Befelatanana, Razafimahefa Julien.
Gazety Taratra (*): Inona ny aretina androbe?
Razafimahefa (-): Aretin’ny atidoha miseho amin’ny fiverimberenan’ny fanintona amin’ny olona iray ny androbe. Fanintona no ilazana ilay fisehoana indray mandeha fa rehefa miverimberina dia lasa aretina mitaiza ary antsoina hoe androbe. Ny zaza manavy mety mifanintona fa tsy voatery ho androbe akory izany. Ny olona diabetika rehefa milatsaka be ny siramamy ao amin’ny vatany dia mety mifanintona koa. Rehefa voakarakara izay dia milamina izy. Ho an’ny faritra sasany, aretim-borognõ na toragna no iantsoana ny androbe.
*Ny antony mahatonga ny aretina?
– Misy herinaratra (courant éléctrique) mikorontana ao anatin’ny atidoha mitarika ny fanintona hita ety ivelany. Misy antony mampikorontana ilay herinaratra. Voalohany ny fahasimban’ny atidoha vokatry ny dona mafy mihatra taminy ohatra nandritra ny lozam-pifamoivoizana na vono…Faharoa avy amin’ny tsimokaretina (microbe) miseho amin’ny nana ao anaty atidoha na koa mikraoba
amin’ny fonon’ny atidoha (meningite). Eo koa ny atodi-kankana lasa any amin’ny atidoha antsoina hoe voavarin’ny atidoha (neuro-cysticercose). Antony mety hitarika ny fikorontanan’ny herinaratra ao anatin’ny atidoha koa ny fivontosana anatin’ny atidoha (tumeur) izay mety ho homamiadana na fivontosana tsotra. Eo koa ny olan’ny atidohan’ny zaza mandritra ny fiterahana. Saro-piterahana ilay reny ka tsy nahazo oxygène ny atidohan’ny zaza, namela takaitra ao anatin’ny atidohany izany ka mampifanintona azy. Eo koa ny mety ho tsy fahatomombanan’ny fiforonan’ny atidohan’ny zaza mandritra izy ao am-bohoka izay azo tiliana rehefa misafo eny amin’ny rasazy na dokotera “gynécologue”.
Antony hafa, tsy misy fahasimbana ny atidoha fa tarazo nolovaina tamin’ny ray aman-dreny ny aretina androbe. Mbola kely no manomboka ny fanintona ary mihena tsikelikely ilay tranga ary miato tanteraka rehefa miha lehibe ilay olona. Olona maromaro ao anatin’ny fianakaviana no itrangan’ny fanintona fa sitrana rehefa lehibe.
*Ahoana ny fisehon’ny aretina androbe?
– Tranga mpiseho matetika, manomboka tsy mahatsiaro tena ilay olona ary mikiaka. Mihenjana ny vatany iray manontolo ary mikofokofoka ny ratsam-batany ambany sy ny ambony. Miakatra ny maso mandritra izany fotoana izany ary miha mitombo tsikelikely. Mihena tsikelikely ilay mikofokofoka izay miafara amin’ny fahalemen’ny vatana iray manontolo. Lasa mierotra be ilay marary sady mamoaka faroratra na rora fotsy ny vavany. Miverina mahatsiaro saina tsikelikely ilay olona. Mandritra ny 55 segondra ka hatramin’ny 1 minitra ny faharetan’ny tranga rehetra.
Misy fambara iray faharoa amin’ny ankizy sy ny zaza, miseho amin’ny olana amin’ny fianarana. Mitranga amin’ny tsy fahatsiarovana tena (tsy safotra) mandritra ny segondra vitsivitsy izay miverimberina. Ny fahitan’ny ray aman-dreny na ny mpampianatra azy dia variana ilay zaza rehefa mandray lesona ka lasa misy banga eo amin’ny fandraisana ny fampianarana any an-dakilasy.
*Ny fihetsika rehetra tokony hatao rehefa mitranga ny fanintona?
– Mijery famantaranandro ny olona manatrika ilay mifanintona. Akisaka amin’ny toerana malalaka mba tsy hidona ka haratra ilay marary. Tsy anitrihina zavatra mihitsy ny vavany (tanana, sotro, lamba…) fa mety hanapaka ny nifin’ilay marary na koa hanentsina ny lalan-drivotrany. Mety ho voakaikiny ny sisin’ny lelany nefa tsy atahorana hanapaka azy. Avela ho tapitra ny fanintona fa tsy azo tazonina mafy ilay marary fa mety ho tapaka ny ratsam-batany. Rehefa malefaka tanteraka ny vatany, ahorirana amin’ny ankavia izy sao mandoa. Mamerina mijery famantaranandro ary entina manatona mpitsabo, na efa miverina tanteraka aza ny sainy.
Raha maharitra ny faharetan’ny fanintona (mihoatra ny 1 minitra) na miverimberina matetika, mila hoentina haingana any amin’ny hopitaly avy hatrany ilay marary.
*Ny tokony hatao tsy hiverimberenan’ny fanintona eo amin’ny olona iray?
– Mizara roa mazava ny fitsaboana ny androbe. Ny fitsaboana ny fanintona tsy hiverimberina ary ny faharoa, ny fitsaboana ny anton’ilay androbe raha fantatra. Tokony hatao avokoa ireo fitsaboana roa ireo.
Ho an’ny fitsaboana voalohany, ilaina ny fihinanana ny fanafody isan’andro mandritra ny taona maro handaminana sy hamerenana amin’ny laoniny ny herinaratra mikorontana ao anaty atidoha. Fara fahakeliny rehefa tsy mihetsika ao anatin’ny telo ka hatramin’ny dimy taona ny fanintona dia manao ny fitarafana electro encephalogramme (EEG) hanamarinana fa efa milamina ilay herinaratra azo amin’ny atidoha. Manomboka ahena tsikelikely ny fanafody ary araha-maso ny mety ho fiverenan’ny fanintona.
Momba ny fitsaboana ny anton’ny androbe kosa, miankina amin’ny fitiliana ny atodiha izay. Ny scanner sy ny IRM no tsara indrindra tokony hataon’ny marary. Tsy voatery hatao eo no ho eo ireo fitarafana ireo fa afaka miandry ny fahafahan’ny marary ara-bola arakaraka ny fanapahan-kevitry ny mpitsabo mandray an-tanana.
*Mety sitrana ve ny aretina androbe?
– Rehefa feno 10 taona tsy nihetsika ny fanintona ka efa najanona tanteraka ny fihinanana fanafody, azo sokajiana ho sitrana ny androbe teo amin’ny marary iray. Eto Madagasikara, misy ny fanafody ary mirary ny vidiny.
*Misy tranga miverimberina ihany ny fanintona nefa mihinana fanafody ny marary iray?
– Antony mitarika amin’izay ny fanadinoana ny fihinanana fanafody. Tsara indrindra rehefa hisakafo no mandray ny fanafody isorohana ny fanadinoana. Antony iray koa ny fikorontanana eo amin’ny fomba fiaina mihitsy. Ohatra ny torimaso, rehefa mahatsapa fa te-hatory tsy tokony hanohitra izany ary mila arahana ny fahazaran’ny vatana. Ny fandraisana zava-mahadomelina na toaka koa dia mety hampiverimberina ny fanintona na efa mihinana fanafody aza ilay marary. Misy olana ara-pahasalamana mifandraika amin’ny vatana koa toy ny fahatongavan’ny fadim-bolana eo amin’ny vehivavy mety hitarika amin’ny fiverenan’ny fanintona. Farany, ny karazan’ilay androbe mihitsy no sarotra tsaboina ka matetika mila fanafody ambony karazana na fanambarana fanafody maromaro.
*Eto amintsika, firy ny olona tratran’ny androbe?
– Tsy manana antontanisa voamarina eto Madagasikara momba ny olona voan’ny aretina fa maneran-tany, 50 tapitrisa ny mararin’ny androbe. Anisan’ny aretina telo mahazo ny atidoha ny androbe eto amintsika : fahatapahan’ny lalandra ny voalohany, aretin’andoha ny faharoa ary androbe ny fahatelo. Mety ho voany avokoa na lahy na vavy ary tsy mifidy sokajin-taona fa ny zaza sy ny zokiolona no betsaka tratrany. Mbola marefo ny atidohan’ny zaza satria ao anaty fitomboany raha efa mifintina tsikelikely kosa ny atidohan’ny zokiolona ka mora mifanintona.
Vonjy A.