Échecs-“World Schools” : Laharana faha-13 i Madagasikara

Tontosa ny 6 hatramin’ny 11 jolay lasa teo, tany Cape Town, Afrika Atsimo, ny “Fide World Schools Team Championship 2026”, taranja échecs. Laharana faha-13 i Madagasikara. 

Tsy diso anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ho an’ny lalaontsaina échecs an-tsekoly, na “Fide World Schools Team Championship 2026”, natao tany Cape Town, Afrika Atsimo ny Malagasy. 4 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara ka azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra. La­harana faha-13 amin’ny mpan­dray anjara 26 no nisy ny ekipa malagasy, taorian’ny fihodinana 8. Ekipa mendrika sy efa kalaza eny anivon’ny sekoly sangany maneran-tany no nifanandrina tamin’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity. Manaporofo ny fahaiza-ma­naon’ny mpilalao échecs malagasy ny vokatra ary mampiseho fa manana ny toerana eo amin’izao tontolo izao i Ma­dagasikara,  eo amin’ny taranja échecs.   Nahitana ny WCM Tsinjoviniavo Aina Mahasam­batra, Randriamazava Mami­haja Jessy, Randriamazava Mbolamamy Jason ary Labo­koson Tsikimiarisoa Éléonore ireo solontena. Nisy ny fifaninanana natao teto an-toerana ka izy ireo no voafantina hiaro ny voninahi-pirenena nandritra iny fifaninanana iny.  Nidera ny ezaka vitan’ireto solontena malagasy ireto, izay avy amin’ny Lycée Privé Hibiscus, ny Federasionina malagasin’ny échecs. Teo koa ireo ray aman-dreny sy izay rehetra nanohana ka nahafahan’izy ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: