Mihazakazaka be ny fiovan’endriky ny lahabolana am-bava amin’izao vanim-potoana izao. Iray amin’ireny ny kabary izay efa manomboka mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manana ny mampiavaka azy anefa io kolontsaina malagasy io, hany ka miteraka resaka maro ity lazaina ho fivoarana ity…
Iray amin’ireo kolontsaina malagasy faheno manerana an’i Madagasikara ny kabary. Fahiny, nisy ireo olona natokana hanao izany amina lanonan-dehibe sasany. Anisan’ izany, ohatra, ireo « hetsika » tontosain’ny fanjakana. Niova nanaraka ny vanim-potoana ny zava-nisy. Ao amin’ny ankohonana, ny raim-pianakaviana no nikabary. Ho an’ny fianakaviana, ny lehilahy fotsy volo amin-tany no nikabary. Tsy nisaraka tamin’ny fiainam-piaraha-monina malagasy rahateo ny kabary na an-kasoavana na an-karatsiana.
… Teo amin’ny taona 2000, nanomboka nipoitra sy nihamaro isa ny vehivavy nikabary. Tahaka izany koa ny tanora sy ny ankizy. Nipoitra ny fifanakalozan-kevitra mivaivay. « Tsy anjaran’ny vehivavy mihitsy ny mikabary fa an’ny lehilahy efa mipi-bolo », hoy ny andaniny. « Rehefa tsy hanao ianareo, hataonay », hoy ny vehivavy etsy ankilany. « Tsy azon’ny tanora indrindra fa ny ankizy atao mihitsy ny mikabary », hoy ny sasany. « Aleo ry zareo hanao mba ho zatra », hoy ny hafa… Tahaka izany hatrany !
Nivelatra haingana be ny kabary. Efa misy ny maneho izany any ivelany. Liana ny vahiny ka rafitra mianatra. Mikabary avy eo. Tranga faharoa, ny Malagasy mahafehy ny kabary no mandika ny kabary amin’ny fiteny vahiny. Avy amin’iny indray ny vahiny no mianatra sy manao fampiharana eny an-tsehatra na any amina lanonana.
Simba ny hasin’ny kabary
« Tsy atao tsianjery maimbo ny kabary », hoy ireo mahafantatra ny tontolon’ny kabary sady mpandalina ny fomba amam-panao malagasy. Ho azy ireo, manana ny hasiny lehibe ny kabary ka tokony hotazonina izay maha izy azy izay. Misy teny malagasy mifono hevitra mafonja, tsy manana dika sy hevitra amin’ny teny vahiny. Ohatra, « fihavanana », « hasina », « fanahy », « mody mandry », « mitsilailay », sns, sady tsy voadika no tsy hay hazavaina amin’ny fiteny vahiny, raha miainga amin’ilay hevi-dalina fonosiny. Na, ho vita ihany fa zary dikan-teny na fanazavana peta-toko manary hasina.
Misy aina sady rakotra fanahy ny kabary malagasy sy ny Malagasy rehefa mikabary. Sarotra ho an’ny vahiny ny miaina izany satria tsy mitovy velively ny « tany nitsimohana » eo amin’ny kolontsaina sy ny foto-pisainana ary ny zava-misy eo amin-dry zareo sy ny an’ny Malagasy.
Mbola sarotra ny ilazana fa « mikabary » ny vahiny iray, raha mandaha-teny amin’ny fiteniny. Na manara-drafitra aza (araka ny fampianarana nomena azy) ny lahateny ataony, tsy azo adika avy hatrany fa kabary. Endrika ivelany iny. Noho izany, manana adidy hitady anarana hasalotra ny lahateny miendrika kabary ataon’ny vahiny amin’ny fiteniny, ny mpikaroka !
HaRy Razafindrakoto