Mila mailo

Vao mahoraka kely ny fanovana governemanta dia mipoitra avokoa ny akama sy ny tsy akama. Ny namana manasoasoa. Tsy misy tomika ny olona tohanana. Tena “favori” avokoa ny mpitondra, nomen-tseza. Miakatra tampoka ny mpanao ranty sy ny klioban’ny mpankafy. Hatramin’ny fampiserana haingon’ny mpiasa, efa vaovao goavambe ho an’ny sasany. Heverina ho mari-pandrefesana ny asa vita sy ny ezaka natao izany.
Angaha hita! Etsy ankilan’izany, manao be fiavy koa ny mpanenjika sy ny tsy tia any anaty minisitera. Malaky ny famoahana dosie, ahafahana manakiana avy hatrany. Mitady ny hirika rehetra hampigebona ilay tomponandraikitra. Ny mahavariana, ny minisitra hita fa tena niasa no maty enjika. Ny minisitra tsy fantatra anarana na tsy fantatr’endrika, tsy mba misy miteny izany.
Izay ny fanaovana politika eto Madagasikara, ny “fisolelafakizasionina” sy “mamim-bahoaka”. Misy zatra ny lalan-dririnina kanefa tsy izany intsony ny ahafahana manao ny tomban’ezaka. Zava-dehibe ny finiavan’ny fitondra-miaramila, hiala amin’ny mahazatra. Tokony hanaraka izany avokoa ny mpanara-dia. Tsy mety ilay samy mandeha amin’ny kajiny. Ny an’ny sasany miverina amin’ny fanao maloto taloha.
Tranga mba hisintomana lakolosy amin’izao fotoana izao no ifampizarana anio. Mipoipoitra sahady ny olona tia mividy seza. Toraka izany ny fikambanana na vondrona mivarotra ny hery eo am-pelatanany. Zary lasa biraon’ny mpiara-miasa amin’ny henjana ny toeram-pisakafoana sy ny hotely manodidina ny lapa. Vao maraina, mandra-pahariva ny andro, efa mifanaretsaka ny mpanao politika sy ny olon-tsotra manam-paniriana hitondra.
Mila mitandrina, mila mahay manivana tsara ny vary amin’ny tsimparifary ny miaramila sao sanatria ka mijabaka any anaty kajy tsy milamin’ny sivily isan-karazany.

r.r

Partager sur: