Tandremo ny fandrika!

Misy afo miotrika hafahafa izany eto amin’ny tanàna. Mila fahamailoana sy fitandremana lehibe amin’ny zavatra rehetra hatao. Mivadika tsikelikely eny koa ny rasa, hany ka mampametra-panontaniana. Aiza teto ambonin’ ny tany ny hoe mitokona fa tratra nangalatra mijery tahirin-kevitra mandritra ny fanadinana. Potehina ny oniversité, midina an-dalambe sy mitora-bato mpitandro filaminana. Miafara amin’ny toraka grenady…indray.
Mila mametraka fitsipi-dalao mazava sy arofanina ry “Ramiaramila” na dia niteny aza ny filoha fa tsy mam­piasa hery famoretana izay tsy tia azy. Mila mailo sao sanatria miitatra toa sima misioka tahaka ny any Frantsa ity raharaha manga ity. Ireny efa nanandrakandrana ireny ny mpianatra amin’ny sekoly katolika iray. Ny mpianatra amin’ny lisea indray manko izao ireo mikomy. Izany hoe, ilay tena maitsovolokely, mahasahisahy, tsy mataho-maso mena 100%.
Ny mpisintona lakolosy sy ny milaza azy ho “influenceur” aza itony efa manomboka mandrangitra ny mpianatra. Manisika any an-dohan’ny ankizy izay hevitra hikorontanana sy hanakorontanana izay. Milaza fa mikatsaka ny mahasoa azy sy ny metimety aminy. Tsy misy azo hamaivanina mihitsy aloha ny zava-drehetra miseho any andafin-driaka any. Manahirana tokoa ny hiady amin-jaza, mahery setra. Indrindra fa efa voasasa atidoha.
Tandremana ny fandrika misy etsy sy eroa raha tiana ho tafita ny tetezana. Iaraha-mahalala fa olona mora maka tahaka amin’ny vazaha Ramalagasy. Indrindra ny zatovo izay tena mandrakotra ny fikirakirana ny niomerika sy ny fivoaran’ny teknolojia. Mora handairan’ny kajy isan-tsokajiny. Tsy fotoan’ny fivoizana ny izy sy ny tsy tena izy izao. Mila mametraka mazava ny bebokotra fa misy fitsipika tsy azo ihodivirana manomboka izao.

r.r

Partager sur: