Diavolan-kolava

Nivoaka amin’ny fahanginany ny vadin’ny henjana ao Maorisy. Nilaza izy fa lasibatry ny kajikajy politika Ramose.  Raha zohina tokoa ny raharaha, misy tokoa ny mampiahiahy. Indrindra fa ny olona akaiky sy ny niara-nilomano ihany no nandrendrika ny sambo. Tsy ho azon’ny saina veroka mihitsy hoe i Maorisy no hanan-kevitra tampoka eo hanidy sy hanagadra anatin’ny indray mipi-maso.
Tokony hampisaina ny mpanao politika ity tranga ity. Iaraha-mahalala fa misy hatrany ny be hambom-po sy tsy te hamela ny namana mba hahiratra. Ankoatra ny samy mpinamana te hifampisongona, efa mamofompofona izany rahateo ny “revy” miainga. Ny samy tompon’ny hery no mifandrefy. Ny sasany aza efa manangonangona hamingampiganana an-dranona. Angaha hita! Izay ilay olombelona.
Kianja be, ampy hilalaovana politika tsara anefa i Madagasikara. Tsy ho tapitra anio na rahampitso ny fe-potoana ara-dalàna. Izay sahy mijoro dia afaka mananika kianja. Tsy voatery mahay mandaka baolina io, fa izay manam-piniavana sy ampy fitaovana dia lasa izao. Mila mitandrina ihany anefa na izany aza sao ho sendra ny baolina an-kamely. Sanatria tsy maneno ny kiririoka farany, misy sahady ny tapa-tongotra sy ny rovitra akanjo.
Na malalaka aza ny fitsipi-dalao, tsy mavesatra ny saran’ny fidirina an-kianja. Tsy an-jaza ny zava-misy ankehitriny. Mitaky fananana hazondamosina sy fitaovam-piarovana raitra izany. Tsy azon’ny olona hozongozonina amin’ny maha izy azy. Tsy maintsy manana mpiaro anefa. Rehefa tsy mbola mahafeno izay fepetra izay, aleo mijanona aloha. Miandry laharana satria diavolan-kolava, kilalao mbola ho ela raha ny fanaovana politika eto Madagasikara.

r.r 

Partager sur: