Mahoraka ny tanàna ao Sofia. Mankalaza ny fetin’ny Repoblika Ramalagasy. Tsy mbola nisy tahaka izao angamba hatrizay nilazana fa mahaleo tena i Madagasikara. Tsy fety toy ny fety rehetra moa fa mifanojo amin’ ny nandraisan’izy dimy lahy fahefana amin’izao fotoan’ny fanavaozana izao. Tena hoe andro manan-tantara tokoa raha ny tena izy. Asa hitondra inona ho an’ny firenena?
Mifanindran-dalana amin’izay anefa, mba fantatry ny sarambabem-bahoaka ve ny tena hevitra fonosiny? Mbola tsy misy fahafahana izany raha ny tena marina. Anatin’ny miady ny ho amin’izany izao. Azo heverina fa ilay fanamarihana makotrokotroka anie ka ho fiampitana mankany amin’ny tena fiainam-panavaozana tokoa. Hamaly ny filan’ny mpitolona sy ny vahoaka tsivakivolo, izay nanantena fahagagana.
Mahakasika ny hetsika any Antsohihy: maro no mandiso ny tantara. Tsy tokony hatao ravindravina atentina ny fotoam-panamarihana. Mitaky fitiavan-tanindrazana misimisy kokoa ilay izy! Porofoina amin’ny asa fa tsy kabary. Vokatra fa tsy sehoseho. Miandry ny azo tsapain-tanana ny Malagasy. Efa tsy lamaody intsony ny fampirevirevena sy ny fampanofisana ny vahoaka. Tsy mila lelamamy, tsy mila maketikety, tsy mila kivorivory fahatany intsony ny mponina.
Soa fa efa manomboka mihamafy ny serasera mahakasika ny ady amin’ny kolikoly hataon’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Izany rahateo no andrandrain’ny Malagasy 30 tapitrisa. Sahy mamongotra ny fangolika. Mahasahy manenjika ny mpambotry sy manandevo ny vahoaka amin’ny fitiavan-tena. Mahavelombolo ny famerimberenan’ny lohany fa hentitra sy mihahenjana izy amin’ny ady amin’ny kolikoly, izay fahavalom-bahoaka voalohany, mitovy laharana amin’ny fahantrana lalina.
r.r





