Miditra amin’ny vanim-potoana fanaovana tohatra fiakarana indray aloha izao Ramalagasy. Indrindra amin’ity resaka antoko, fikambanana, vovonana miseho lany etsy sy eroa ity. Mihazakazaka ny fiarahana etsy sy eroa. Mahavita fanamiana manokana amin’ny endriny samihafa anaty fotoana fohy. Mirentirenty ery ny sorabe marevaka, hisintomana ny mason’ny Filohan’ny fanavaozana mivady sy ny mpiara-dia aminy. Mamerina ny fikafika politika taloha ihany ny ankamaroany.
Ny zava-dehibe anefa, tsy ny seho ivelany raha tena hiady sy hitady ny fomba hametrahana ny fanavaozana. Mila fomba fanaovana politika madio sy manana fahavononana ny hiroso amin’ireo lokalokan’ny Filoha. Tsy avela hiditra ambalan’ny mpamitaka sy ny mpivadibadika palitao izy. Mila tohana madio tsy mifangaro. Izay tena vonona fa tsy baikoan’ny fitadiavan-tseza ihany no tena namana. Ankoatra izay, mampanahy sao mampihinana am-bolony na mamahan-dalitra.
Tsy kilalaon-jaza ny fitantanana firenena. Tsy lova tsy mifindra ihany koa, ka hoe ny teo ihany no miverina na ny taranaka mifandimby no mandray fahefana. Ny an’ny sasany aza, ratsy tarehy mangata-bady, ny anaran-dray no ahindrahindra. Mihevitra ny handrobo ny henjana any anatin’ny vela-pandrika feno fitaka amin’ny fifidianana. Iaraha-mahita fa efa samy mihomankomana sy misomebiseby ny olon-drehetra. Serintseriny aoka izany sahady!
Na mbola tsy niteny ny hilatsaka hofidiana aza ny kolonely eo amin’ny fitondrana, ny mpanohana kosa tena efa milomay izay tsy izy. Mihetsika avy hatrany tsy miandry toro-marika. Mampiasa vola, manangona olona, mandresy lahatra ny hiara-dalana amin’ny miaramila. Efa mivonona tanteraka amin’ny asa hatao ho enti-mampandany ny kandindan’ny “mpitondra”. Efa miasa avokoa na eto an-dRenivohitra na any amin’ny faritany. Manomboka mametraka ny ratsa-mangaika.
r.r





